Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 7:14 - Baiboly Katolika

14 Dia samy hanolorana anankiray avy ireo fanatitra ireo natokana ho an’i Iaveh, dia ho an’ny mpisorona izay hamafy ny ran’ny sorom-pihavanana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Hakany iray avy ny isam-panatitra ho anjara fanomezana ho an’NY TOMPO; ho an’ilay mpisorona mamafy ny ran’ny fanati-pihavanana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Samy hangalana anankiray avy ireo fanatitra isan-karazany ireo hasandratra ho an’ny TOMPO; fa ny mofo sisa kosa dia ho an’ilay mpisorona mamafy ny ran’ny sorom-pihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Samy hangalana anankiray avy ireo fanatitra isan-karazany ireo hasandratra ho an’ny TOMPO; fa ny mofo sisa kosa dia ho an’ilay mpisorona mamafy ny ran’ny sorom-pihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary hangalany iray avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an’i Jehovah; ho an’ilay mpisorona manopy ny ran’ny fanati-pihavanana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary hangalany iray avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an'i Jehovah; ho an'ilay mpisorona manopy ny ran'ny fanati-pihavanana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Hakany iray avy ny isam-panatitra ho anjara fanomezana ho an’NY TOMPO; ho an’ilay mpisorona mamafy ny ran’ny fanati-pihavanana izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 7:14
10 Rohy Ifampitohizana  

Izay rehetra voaavaka avy amin’ny zavatra masina, izay avahan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh, dia omeko anao sy ny zanako lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao, ho lalàna mandrakizay, fanekena voasira mandrakizay eo anatrehan’i Iaveh izany, ho aminao sy ny taranakao miaraka aminao.»


Ny azy ireo antsasany no hangalanareo an’izany, ka omeo an’i Eleazara mpisorona ho anjara natokana ho an’i Iaveh.


Dia nomen’i Môizy an’i Eleazara mpisorona ny anjara natokana ho an’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Jereo ange i Israely araka ny nofo e: moa tsy mpiombona amin’ny ôtely va, ireo mihinana amin’ny fanatitra atao sorona?


dia hanana anjara fivelomana toraky ny an’ireo koa izy, afa-tsy izay azony amin’ny fivarotana ny anjara lovany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra