Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 7:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ankoatra ireo mofo tsy misy leviora ireo, dia hanatitra mofo misy leviora koa izy ho fanampin’ilay sorom-pihavanana atao ho fisaorana an’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Miaraka amin’ny mofo misy masirasira no hanolorany ny fanatiny, ho fanampin’ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ankoatra ireo mofo tsy misy leviora ireo, dia hanatitra mofo misy leviora koa izy ho fanampin’ilay sorom-pihavanana atao ho fisaorana an’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ary hampiana mofomamy misy lalivay, ny fanatitra izay haterina miaraka amin’ny sorom-pisaorana hanaovana sorom-pihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary miaraka amin’ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin’ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 7:13
7 Rohy Ifampitohizana  

ny kotaban’ny fety sy ny horakora-pifaliana. Ho re ao indray ny hiran’ny mpanambady; ho re ao indray ny hira manao hoe: Derao ny TOMPOn’izao rehetra izao, fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Izany no hiran’ireo mitondra sorom-pisaorana mankao an-tranoko. Eny, hoy Izaho TOMPO, haveriko amin’ny laoniny toy ny fahiny izany tany izany.»


Ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manolotra leviora na tantely ho an’ny TOMPO; kanefa tsy mba hakarina eo ambonin’ny alitara hanetona ho hanitra ankasitrahina izany.


ka mitondrà, avy amin’ny fonenanareo, mofo roa ho fanatitra hahevaheva eo anatrehako. Ireo mofo ireo dia hatao amin’ny koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, ka hasiana leviora no hanendasana azy: voaloham-bokatra natokana ho Ahy TOMPO izany.


Miaraka amin’ireo mofo ireo, ny haterinareo koa dia zanakondrilahy fito tsy misy kilema samy iray taona, sy ombilahy iray ary ondrilahy roa mba hatao sorona dorana manontolo ho AHY; ho sorona levonina amin’ny afo ireo mba ho hanitra ankasitrahina ho AHY, sady hampombaina izany ny fanatitra vokatry ny tany sy ny fanatitra araraka.


Dory hanetona eo amin’ny alitara ny mofo misy leviora fanati-pisaoranareo; ary ataovy antso avo ampahibemaso ny fanatitra an-tsitrapo ataonareo, satria izany no tianareo.


Ary nilaza fanoharana hafa koa tamin’ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe: –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny leviora nalain’ity vehivavy anankiray ary nampifangaroiny tamin’ny koba eran’ny kovetabe mandra-pibohaky ny koba manontolo.


Fa tsara avokoa izay noarîn’Andriamanitra, ka tsy misy tokony holavina fa horaisina amim-pisaorana an’Andriamanitra;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra