Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 27:16 - Baiboly Katolika

«Raha misy olona manokana ho an’i Iaveh ny sasany amin’ny zara taniny, dia ho araka ny voa famafy aminy no hanombananao azy, ka volafotsy dimampolo sikla no hanombananao ny tany mifafy orja iray gômera.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha misy olona manamasina ny sasany amin’ny zarataniny ho an’NY TOMPO dia hotombanana araka ny voan-javatra famafy eo izany; ny voam-barimbazaha iray homera dia hotombanana sekela volafotsy dimampolo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Raha zara tany no avahana hatokana ho an’ny TOMPO, dia araka ny haben’ny voan-javatra famafy eo no hanombanana ny vidiny; ka ny voam-bary ôrza telonjato kilao dia tombanana ho sekela volafotsy dimampolo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Raha zara tany no avahana hatokana ho an’ny TOMPO, dia araka ny haben’ny voan-javatra famafy eo no hanombanana ny vidiny; ka ny voam-bary ôrza telonjato kilao dia tombanana ho sekela volafotsy dimampolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha misy olona manamasina ho an’ Jehovah ny sasany amin’ny zara-taniny, dia hotombananao izy araka ny voan-javatra famafy eo; ny voam-bary hordea iray homera hotombananao sekely volafotsy dimam-polo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha misy olona manamasina ho an'Jehovah ny sasany amin'ny zara-taniny, dia hotombananao izy araka ny voan-javatra famafy eo; ny voam-bary hordea iray homera hotombananao sekely volafotsy dimam-polo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha misy olona manamasina ny sasany amin’ny zarataniny ho an’NY TOMPO dia hotombanana araka ny voan-javatra famafy eo izany; ny voam-barimbazaha iray homera dia hotombanana sekela volafotsy dimampolo.

Jereo ny toko



Levitikosy 27:16
7 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny tanimboaloboka telon-jato aza tsy hahavokatra afa-tsy iray bata, ny voan-javatra iray homera tsy hahavokatra afa-tsy iray efah.


Novidiko sikla volafotsy 15 sy orja iray homera, ary orja iray leteka, izy;


Raha te hanavotra ny tranony ilay nanamasina azy, hotongoaviny ny ampahadiminy izay nanombananao azy, dia ho azy ny trano.»


Raha miantomboka amin’ny taona Jobily no anokanany ny taniny dia io tombany nataony io no arahina,


Fony mbola tsy namidy izy, moa tsy anao va? Ary nony efa namidy indray, moa tsy anao koa va ny vidiny? Ka ahoana no dia nahavitanao hevitra toy izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.»