Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 27:16 - DIEM PROTESTANTA

16 «Raha zara tany no avahana hatokana ho an’ny TOMPO, dia araka ny haben’ny voan-javatra famafy eo no hanombanana ny vidiny; ka ny voam-bary ôrza telonjato kilao dia tombanana ho sekela volafotsy dimampolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Raha misy olona manamasina ny sasany amin’ny zarataniny ho an’NY TOMPO dia hotombanana araka ny voan-javatra famafy eo izany; ny voam-barimbazaha iray homera dia hotombanana sekela volafotsy dimampolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 «Raha zara tany no avahana hatokana ho an’ny TOMPO, dia araka ny haben’ny voan-javatra famafy eo no hanombanana ny vidiny; ka ny voam-bary ôrza telonjato kilao dia tombanana ho sekela volafotsy dimampolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 «Raha misy olona manokana ho an’i Iaveh ny sasany amin’ny zara taniny, dia ho araka ny voa famafy aminy no hanombananao azy, ka volafotsy dimampolo sikla no hanombananao ny tany mifafy orja iray gômera.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary raha misy olona manamasina ho an’ Jehovah ny sasany amin’ny zara-taniny, dia hotombananao izy araka ny voan-javatra famafy eo; ny voam-bary hordea iray homera hotombananao sekely volafotsy dimam-polo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary raha misy olona manamasina ho an'Jehovah ny sasany amin'ny zara-taniny, dia hotombananao izy araka ny voan-javatra famafy eo; ny voam-bary hordea iray homera hotombananao sekely volafotsy dimam-polo.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 27:16
7 Rohy Ifampitohizana  

Ny tanimboaloboka telo hekitara tsy hamokatra afa-tsy divay dimampolo litatra; izay mamafy varim-bazaha zato kilao tsy hioty afa-tsy folo kilao monja.»


Koa novidiko sekela volafotsy dimy ambin’ny folo sy ôrza enin-jato litatra ny vadiko.


Raha tian’ny tompony havotana ilay trano, dia ny tombam-bidiny tongoavina ampahadimy no haloany; dia ho azy ny trano.


Raha manomboka amin’ny taona Jobily no anavahana tany hatokana ho an’ny Tompo, dia izany tombam-bidy izany no harahina.


Anao ange ny tany fony mbola tsy namidy, sady rehefa namidy dia eo am-pelatananao ny vola vidiny! Ka ahoana no dia nampisy tao am-ponao izao zavatra vitanao izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra