Tsy hosoloana izany, ny ratsy tsy hasolo ny tsara, ny tsara tsy hasolo ny ratsy; ary raha soloina biby anankiray ny biby anankiray hafa, dia ho samy zava-masina izy roaroa.
Levitikosy 27:11 - Baiboly Katolika Ary raha biby maloto tsy fanao fanatitra amin’i Iaveh kosa, dia hoentina mankeo amin’ny mpisorona, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha biby maloto izay tsy fanao fanatitra ho an’NY TOMPO kosa izany dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona DIEM PROTESTANTA «Raha biby maloto tsy fanolotra sorona ho an’ny TOMPO kosa no atao voady, dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona ilay biby. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Raha biby maloto tsy fanolotra sorona ho an’ny TOMPO kosa no atao voady, dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona ilay biby. Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha biby maloto izay tsy fanao fanatitra ho an’i Jehovah kosa izany, dia ho entina eo anatrehan’ny mpisorona izy; Malagasy Bible Fa raha biby maloto izay tsy fanao fanatitra ho an'i Jehovah kosa izany, dia ho entina eo anatrehan'ny mpisorona izy; La Bible en Malgache Raha biby maloto izay tsy fanao fanatitra ho an’NY TOMPO kosa izany dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona |
Tsy hosoloana izany, ny ratsy tsy hasolo ny tsara, ny tsara tsy hasolo ny ratsy; ary raha soloina biby anankiray ny biby anankiray hafa, dia ho samy zava-masina izy roaroa.
ka ny mpisorona no hanombana azy araka ny hatsarany na haratsiany, dia izay tombany ataon’ny mpisorona no ekena.
Aoka ho voaozona ny mpanambaka izay manana ondralahy eo amin’ny andian’ondriny, ka manao voady, nefa biby farofy no ataony sorona amin’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary mahatahotra ny Anarako, any amin’ny firenena.
Aza misy enti-manefa voady any an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao, na ny tangim-behivavy janga na ny hofan’alikalahy, fa samy fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao, ireo zavatra roa ireo.