raha mieritreritra ao am-pony izy nony mby any amin’ny tanin’ny mpandresy azy, ka mibebaka izy sy manolotra fifonana aminao, any amin’ny tanin’ireo nambabo azy, manao hoe: Efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay, efa nahavita heloka izahay!
Levitikosy 26:40 - Baiboly Katolika Fa hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy ireo, noho ny fahadisoana nataony tamiko; hiaiky izy fa noho ny nandrosoany nanohitra Ahy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy ireo, dia ny fahadisoana izay vitany tamiko tamin’ny nanoherany Ahy, DIEM PROTESTANTA «Kanefa ireo sisa velona aminareo kosa hiaiky ny heloka vitany sy ny heloka vitan’ny razany, dia ny fahadisoana nataony tamiko; eny, hiaiky ireo fa noho ny fanoherany Ahy Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Kanefa ireo sisa velona aminareo kosa hiaiky ny heloka vitany sy ny heloka vitan’ny razany, dia ny fahadisoana nataony tamiko; eny, hiaiky ireo fa noho ny fanoherany Ahy Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy–dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin’ny nanoherany Ahy, Malagasy Bible Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin'ny nanoherany Ahy, La Bible en Malgache Dia hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy ireo, dia ny fahadisoana izay vitany tamiko tamin’ny nanoherany Ahy, |
raha mieritreritra ao am-pony izy nony mby any amin’ny tanin’ny mpandresy azy, ka mibebaka izy sy manolotra fifonana aminao, any amin’ny tanin’ireo nambabo azy, manao hoe: Efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay, efa nahavita heloka izahay!
sady miverina aminao amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy, any an-tanin’ny fahavalony izay nitondra azy ho babo, ka manao fivavahana aminao mitodika atỳ amin’ny taniny izay nomenao ny razany, sy atỳ amin’ny tanàna voafidinao, ary atỳ amin’ny trano nataoko ho an’ny Anaranao,
Koa samia miaiky heloka eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo ianareo ankehitriny sy manatanteraka ny sitrapony ny amin’ny vehivavy hafa firenena.»
Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, marina Ianao, izahay ankehitriny dia ireto sisan’izay afaka fotsiny ihany; indreto izahay mbamin’ny otanay eto anatrehanao, fa tsy mety ho velona eo anoloan’ny Tavanao izahay noho izany ota izany.»
«Andriamanitra ô, safo-kenatra sy mangaihay loatra aho, tsy sahy miandrandra mankany aminao Andriamanitro, fa nitombo nihoatra ny lohanay ny helokay, ary niakatra nanakatra ny lanitra ny fahotanay.
Nambarako taminao ny fahotako, tsy mba nafeniko ny heloko. Hoy aho: «Hiaiky ny fahadisoako amin’i Iaveh aho.» Dia navelanao kosa ny heloky ny fahotako - Selà
Izay manafina ny fahotany tsy mba hambinina; fa izay mitsotra sy mahafoy izany dia hahazo famindram-po.
Ry Iaveh ô, miaiky ny haratsianay izahay, sy ny heloky ny razanay; fa nanota taminao izahay.
Iaveh ô, jereo ity fahoriako! Mangotika ny atiko; mikorontana ny foko ato anatiko, fa niodina dia niodina tokoa aho. Eny ivelany, matin’ny sabatra ny zanako, ao an-trano, fahafatesana koa!
Hampionona anareo izy ireo, rehefa mahita ny fitondran-tenany aman’asany ianareo, ka ho fantatrareo fa tsy hoe tsy misy antony ny nanaovako izay rehetra nataoko taminy, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Hahatsiaro ny lalan-dratsinareo ianareo mbamin’ny asa tsy mety nataonareo, ka haharikoriko anareo ny tenanareo, noho ny hadisoanareo amam-pahavetavetanareo.
Handeha Aho hody any amin’ny fonenako, mandra-piaikiny ny mahameloka azy, ka hitadiavany ny Tavako. Fa hitady Ahy izy ireo, rehefa azom-pahoriana.
Raha mandroso manohitra Ahy ihany ianareo, fa tsy mety mihaino Ahy, dia hokapohiko impito mihoatra, araka ny fahotanareo.
dia Izaho kosa no handroso hamely anareo, ka hikapoka anareo koa Aho impito mihoatra, noho ny fahotanareo.
Koa izay nahazo fahotana tamin’ny iray amin’ireo zavatra ireo, dia hiaiky amin’izay nahadiso azy tamin’ireo,
dia tsy maintsy hiaiky fa fahotany, sy hamerina ny zavatra rehetra azony tsy an-drariny, tongoaviny ny fahadiminy, hatolony amin’izay olona nanaovany hadisoana.
Nony tonga tany amin’ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase any amin’ny tany Galaada izy ireo dia niteny taminy nanao hoe:
Dia hoy i Jôsoe tamin’i Akàna: «Akàna, mihanta aminao aho, omeo voninahitra i Iaveh Andriamanitr’i Israely sy omeo haja Izy. Lazao amiko izay nataonao, fa aza afenina ahy izany.»