nefa raha miverina amiko ianareo, ka mitandrina ny didiko sy manaraka azy, na dia efa any am-paravodilanitra aza ny voasesitany aminareo, dia hangoniko avy any sy hoentiko ho eo amin’ny fitoeram-boafidiko hamponenako ny Anarako.
Levitikosy 26:3 - Baiboly Katolika «Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo, ka mankatò izany, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha manaraka ny lalànako sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany DIEM PROTESTANTA «Raha manaraka ny lalànako ianareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiko, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Raha manaraka ny lalànako ianareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiko, Baiboly Protestanta Malagasy Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko hianareo ka mankatò izany, Malagasy Bible Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany, La Bible en Malgache Raha manaraka ny lalànako sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany |
nefa raha miverina amiko ianareo, ka mitandrina ny didiko sy manaraka azy, na dia efa any am-paravodilanitra aza ny voasesitany aminareo, dia hangoniko avy any sy hoentiko ho eo amin’ny fitoeram-boafidiko hamponenako ny Anarako.
Manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hitso-drano ny mofonao aman-dranonao Aho ary hampanalaviriko anao ny aretina.
Ny Tompo handefa ny ranonorany amin’ny voa nafafinao amin’ny tany, ary ny tany hahavokatra mofo, tsara tokoa sady betsaka, amin’izany andro izany ny biby fiompinareo hihinana eny amin’ny tany fiandrasana malalaka:
izay nandidiako ny razanareo, tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, avy any amin’ny memim-by, nanaovako taminy hoe: Henoy ny feoko ary ataovy izany zavatra izany, araka izay rehetra andidiako anareo, dia ianareo ho oloko, ary izaho ho Andriamanitrareo;
Fa amin’ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo, ka hitohy ny fahavokaran’ny hazo ho anareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
- Fa ny voa afafy hirobona, ny voaloboka, hamoa ny voany; ny tany, hahavokatra ny vokany; ny lanitra, handatsaka ny andony; ary izay sisa amin’ity firenena ity no hataoko tompon’izany zavatra rehetra izany.
Ento ny fahafolon-karena rehetra, ho ao an-trano firaketana ary aoka mba hisy hanina ao an-tranoko. Dia zahao toetra amin’izay Aho, hoy i Iaveh’ny tafika, raha tsy mamoha ny varavaran-danitra ho anareo, sy tsy mampidina fanambinana mihoa-pampana ho anareo.
«Raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka izany, dia hotanterahin’i Iaveh Andriamanitrao aminao kosa, ny fanekena amam-pamindram-po efa nianianany tamin’ny razanao.
Sambatra izay manasa ny akanjony amin’ny Ran’ny Zanak’ondry, mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina, sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-tanàna.