Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 23:16 - Baiboly Katolika

Hanisa andro dimampolo ianareo aloha mandra-pahatongan’ny ampitson’ny sabata fahafito, dia hanatitra fanatitra vaovao amin’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny ampitson’ny Sabata fahafito no hahataperan’ireo andro dimampolo hisainareo, dia manolora fanatitra vaovao avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ka amin’ny ampitson’ny sabata fahafito dia dimampolo andro no ho voaisanareo. Amin’io andro io dia manolora fanatitra vaovao ho Ahy TOMPO indray ianareo;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka amin’ny ampitson’ny sabata fahafito dia dimampolo andro no ho voaisanareo. Amin’io andro io dia manolora fanatitra vaovao ho Ahy TOMPO indray ianareo;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia amin’ny ampitson’ny Sabata fahafito no hahataperan’ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an’i Jehovah indray.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia amin'ny ampitson'ny Sabata fahafito no hahataperan'ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah indray.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny ampitson’ny Sabata fahafito no hahataperan’ireo andro dimampolo hisainareo, dia manolora fanatitra vaovao avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko



Levitikosy 23:16
4 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny volana fahatelo no natomboka ny manao antontany ka tamin’ny volana fahafito vao vita.


Mitondrà, avy any an-tranonareo, mofo roa, ho fanatitra hahevaheva natao tamin’ny lafarina tsara indrindra roa ampahafolon’ny efah, sy nandrahoina nasiana lalivay; santa-bokatra ho an’i Iaveh izany.


«Amin’ny andron’ny voaloham-bokatra, rehefa hanolotra fanatitra avy amin’ny vokatra vaovao ho an’i Iaveh ianareo, amin’ny fetin’ny Herinandro hataonareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.


Nony tonga ny andro Pantekôty, dia tafavory tao amin’ny trano anankiray izy rehetra,