Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 22:3 - Baiboly Katolika

Lazao aminy hoe: Ny olona rehetra amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby izay mbola manam-pahalotoana ao aminy, nefa manakaiky ny zava-masina atokan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh, dia hofongorana eo anatrehako. Izaho no Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin’ny zanakareo, hatramin’ny taranany fara aman-dimby, nefa manakaiky ireo zava-masina izay hamasinin’ny Zanak’Israely ho an’NY TOMPO dia hesorina tsy ho eo anatrehako. Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ka lazao azy mianakavy hoe: «Hatrany hatrany, izay lehilahy rehetra anisan’ny taranakareo, ka mbola manam-pahalotoana izy no manatona ny zava-masina atokan’ny Israelita ho AHY, dia hoesorina tsy hanompo eo anatrehako intsony. Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ka lazao azy mianakavy hoe: «Hatrany hatrany, izay lehilahy rehetra anisan’ny taranakareo, ka mbola manam-pahalotoana izy no manatona ny zava-masina atokan’ny Israelita ho AHY, dia hoesorina tsy hanompo eo anatrehako intsony. Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin’ny zanakareo, hatramin’ny taranakareo fara mandimby, nefa manakaiky ny zava-masina izay hamasinin’ny Zanak’Isiraely ho an’i Jehovah, dia hofongorana tsy ho eo anatrehako: Izaho no Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin'ny zanakareo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby, nefa manakaiky ny zava-masina izay hamasinin'ny Zanak'Isiraely ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho eo anatrehako: Izaho no Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin’ny zanakareo, hatramin’ny taranany fara aman-dimby, nefa manakaiky ireo zava-masina izay hamasinin’ny Zanak’Israely ho an’NY TOMPO dia hesorina tsy ho eo anatrehako. Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko



Levitikosy 22:3
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary izao no nolazaiko tamin’izy ireo: «Masina eo anatrehan’i Iaveh ianareo, ary ireo fanaka ireo dia zavatra masina; izany volafotsy amana volamena izany, dia fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh, Andriamanitry ny razanareo.


Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.


Afeno ny tavanao ny fahotako, ary vonoy avokoa ny heloko.


Na zovy na zovy hanamboatra tahaka an’io na hanosotra izany amin’ny olona tsy fanosotra azy, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»


«Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany mba hifadiany ny zava-masina atokan’ny zanak’i Israely ho Ahy sy tsy hanamavoany ny Anarako masina. Izaho no Iaveh.


Izay hikasika faty, dia ny vatan’olona efa maty, nefa tsy hanadio tena, dia mandoto ny Fonenan’i Iaveh, ka hoesorina amin’i Israely izany olona izany. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto ary ny fahalotoany dia mbola eo aminy ihany.


Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray izy ka hanao hoe: Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.


Fahaverezana mandrakizay, lavitra ny Tavan’ny Tompo, sy ny voninahitry ny heriny, no havaliny an’ireny,