Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 18:4 - Baiboly Katolika

Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny lalàko no hotandremanareo, ka harahinareo izany, fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny fitsipiko no hotanterahinareo ary ny didiko no hotandremanareo, harahinareo izany. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny fitsipiko no tanteraho, ary ny lalànako no imasoy harahina. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny fitsipiko no tanteraho, ary ny lalànako no imasoy harahina. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny fitsipiko no hotanterahinareo ary ny didiko no hotandremanareo, harahinareo izany. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Jereo ny toko



Levitikosy 18:4
15 Rohy Ifampitohizana  

Raha tahiny nitandrina ny didiny anefa izy ireo: sy nitana ny lalàny. Aleloia!


Efa namoaka ny didinao ianao; mba hitandreman’ny olona azy tsara.


Fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo: araho ny didiko; tandremo ny fitsipiko, ka tanteraho;


Hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, ary hataoko manaraka ny fitsipiko ianareo, ka hitandrina ny didiko, sy hanaraka izany.


I Davida mpanompoko no ho mpanjakany; ary izy rehetra hiray mpiandry, hanaraka ny fitsipiko, hitandrina ny didiko, ary hanaraka izany.


Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.


Fa ianareo kosa hitandrina ny lalàna amam-pitsipiko, ka tsy hanao amin’ireo fahavetavetana ireo, na dia iray aza, na ianareo tompon-tany na ny vahiny mitoetra eo afovoanareo.


Tandremo ny lalàna aman-pitsipiko, fa ny olona manaraka izany, no ho velona amin’izany. Izaho no Iaveh.


Tandremo ny didiko. Aza mampivady biby samy hafa karazana; aza mamafy voan-javatra roa karazana amin’ny tanimbolinao, ary aza mitafy fitafiana voatenona tamin’ny kofehy roa karazany.


Tandremo avokoa ny lalàna amam-pitsipiko rehetra, ka araho izany. Izaho no Iaveh.


Tandremo avokoa ny lalàna amam-pitsipiko, ka araho izany, mba tsy haloan’ny tany hitondrako anareo honenanareo ianareo.


Samy marina teo imason’Andriamanitra izy mivady, sady nitondra tena tsy nanan-tsiny tamin’ny didy sy ny tenin’ny Tompo rehetra.


Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.


Izao no lalàna sy didy amam-pitsipika nasain’i Iaveh Andriamanitrareo ampianarina anareo, mba harahinareo any amin’ny tany halehanareo mba hakanareo azy ho fanananareo;