Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 18:26 - Baiboly Katolika

26 Fa ianareo kosa hitandrina ny lalàna amam-pitsipiko, ka tsy hanao amin’ireo fahavetavetana ireo, na dia iray aza, na ianareo tompon-tany na ny vahiny mitoetra eo afovoanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo koa aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany na ny vahiny izay monina eo aminareo;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

26 «Noho izany, ianareo Israelita tompontany na vahiny valovotaka eo aminy, dia tandremo ny lalànako amam-pitsipiko, ka aza misy atao ireo zava-mamoafady ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 «Noho izany, ianareo Israelita tompontany na vahiny valovotaka eo aminy, dia tandremo ny lalànako amam-pitsipiko, ka aza misy atao ireo zava-mamoafady ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko hianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 18:26
16 Rohy Ifampitohizana  

Efa nisy hatramin’ny manolo-tena ho mpijangajanga aza tamin’ny tany. Dia narahiny avokoa ny fahavetavetan’ny firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.


Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany, hihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hanandrina izay olona mihinan-dra ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy;


Izao koa no lazao amin’izy ireo: Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany hanatitra sorona dorana na fanatitra,


Voaloto ny tany, ka hovaliako ny helony, ary haloan’ny tany ny mponina eo aminy.


Fa ireo fahavetavetana rehetra ireo, no nataon’ny olon’izany tany izany, izay nonina tao talohanareo, ka izany no nahaloto ny tany.


Tandremo ny didiko mba tsy hanatanterahanareo na inona na inona amin’ireo fomba vetaveta fanao talohanareo, ka tsy handotoanareo ny tenanareo amin’izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.


Tandremo ny lalàna aman-pitsipiko, fa ny olona manaraka izany, no ho velona amin’izany. Izaho no Iaveh.


«Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.»


Fa ireo latsaka amin’ny tany tsara kosa no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.› »


Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.


Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.


Tovy sy araho izay rehetra andidiako anareo, fa aza ampiana, aza anesorana.


Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay andidiako anao anio, mba ho sambatra ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao, ary mba ho lava ny andronao, amin’ny taona mifandimby rehetra any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra