Nefa teny amin’ny fitoerana avo ihany no nanaovan’ny vahoaka sorona, fa mbola tsy nisy trano natao ho an’ny anaran’i Iaveh hatramin’izany andro izany.
Levitikosy 17:3 - Baiboly Katolika Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely mamono omby na ondry na osy, ao an-toby na any ivelan’ny toby, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Na iza na iza amin’ny taranak’Israely no mamono omby na zanak’ondry na osy, na eo an-toby na any ivelan’ny toby, DIEM PROTESTANTA Na iza na iza Israelita mamono omby na ondry na osy, ao anatin’ny toby any ivelan’ny toby, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Na iza na iza Israelita mamono omby na ondry na osy, ao anatin’ny toby any ivelan’ny toby, Baiboly Protestanta Malagasy Na iza na iza amin’ny taranak’Isiraely no mamono omby, na zanak’ondry, na osy, na eo an-toby, na any ivelan’ny toby, Malagasy Bible Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely no mamono omby, na zanak'ondry, na osy, na eo an-toby, na any ivelan'ny toby, La Bible en Malgache Na iza na iza amin’ny taranak’Israely no mamono omby na zanak’ondry na osy, na eo an-toby na any ivelan’ny toby, |
Nefa teny amin’ny fitoerana avo ihany no nanaovan’ny vahoaka sorona, fa mbola tsy nisy trano natao ho an’ny anaran’i Iaveh hatramin’izany andro izany.
Ny olona rehetra na tompon-tany na vahiny, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro, vao hadio.
Mitenena ianao amin’i Aarôna sy ny zanany ary ny zanak’i Israely rehetra. Lazao aminy hoe: Izao ny didin’i Iaveh:
nefa tsy nitondra azy teo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’i Iaveh, eo anoloan’ny fonenan’i Iaveh, dia hahameloka azy izany, fa nandatsa-dra izy, ka hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany;
Izao koa no lazao amin’izy ireo: Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany hanatitra sorona dorana na fanatitra,
Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy, sy hamono azy eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana; ary ny mpisorona, zanak’i Aarôna, handraraka ny ra manodidina ny ôtely.