Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 15:8 - Baiboly Katolika

Izay olona madio raha voaroran’ny marary mitsîka dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro io olona io.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha misy olona madio voaroran’ny marary mitsika dia hanasa ny fitafiany izy sady handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny olona madio ara-pivavahana, kanefa nisy lehilahy mitsika nandrora taminy haneso azy, dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny olona madio ara-pivavahana, kanefa nisy lehilahy mitsika nandrora taminy haneso azy, dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha misy olona madio voaroran’ny marary mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro–

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha misy olona madio voaroran'ny marary mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha misy olona madio voaroran’ny marary mitsika dia hanasa ny fitafiany izy sady handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko



Levitikosy 15:8
11 Rohy Ifampitohizana  

Misasà ianareo, midiova ianareo, esory ny haratsian’ny asanareo, hiala eo imasoko; mitsahara tsy hanao ratsy,


«Izao koa no hahaloto anareo, ka na zovy na zovy no hikasika ny fatiny, dia haloto mandra-paharivan’ny andro;


Izay mikasika ny tenan’ny marary mitsîka dia hanasa ny fitafiana sy handro amin’ny rano.


Haloto avokoa ny lasely nitaingenan’ny marary mitsîka.


Ny zavatra rehetra kasihin’izay maloto, dia haloto, ary ny olona mikasika azy, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.


Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina.


Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko aminareo, dia olona voasoratra hatry ny ela fa hanamelo-tena amin’izany, olona ratsy fanahy, mamadika ny fahasoavan’Andriamanitra ho fahalotoana, sady mandà an’i Jesoa Kristy, Andrian-tokana sy Tompontsika.