Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 14:6 - Baiboly Katolika

vao halainy ilay vorona sisa velona, ny hazo sedera, ny lamba mena antitra, ary ny hisopa, hatsobony mbamin’ny velona ao amin’ny ran’ilay vorona novonoina eo ambonin’ny rano velona,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Halainy ny vorona velona, ny hazo sedera, ny lamba jaky ary ny rantsana hisopa miaraka amin’ilay vorona velona, dia hatsobony ao amin’ny ran’ny vorona izay novonoina teo ambonin’ny rano mandeha.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

fa halainy kosa ny vorona faharoa, ka hatsobony miaraka amin’ny hazo sedera sy ny lamba jaky ary ny rantsana hisôpa ao anatin’ny ran’ilay vorona novonoina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

fa halainy kosa ny vorona faharoa, ka hatsobony miaraka amin’ny hazo sedera sy ny lamba jaky ary ny rantsana hisôpa ao anatin’ny ran’ilay vorona novonoina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin’ny vorona velona eo amin’ny ran’ny vorona izay novonoina teo ambonin’ny rano nalaina tamin’ny rano mandeha.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin'ny vorona velona eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina teo ambonin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Halainy ny vorona velona, ny hazo sedera, ny lamba jaky ary ny rantsana hisopa miaraka amin’ilay vorona velona, dia hatsobony ao amin’ny ran’ny vorona izay novonoina teo ambonin’ny rano mandeha.

Jereo ny toko



Levitikosy 14:6
13 Rohy Ifampitohizana  

Indro izaho teraka tamin’ny heloka; ineny koa torontoronina ahy tamin’ny fahotana.


dia hodidian’ny mpisorona halaina ho an’ilay hodiovina ny vorona roa velona sady madio, ny hazo sedera, ny lamba mena antitra, ary ny hisopa.


Ny iray amin’ireo vorona no hasain’ny mpisorona vonoina eo ambony vilany tany misy rano avy amin’ny rano velona;


Dia hovonoiny eo ambony vilany tany, ambony rano velona, ny vorona iray.


Amin’izany andro izany, hisy loharano hisokatra, ho an’ny taranak’i Davida sy ny mponina ao Jerosalema, hanasa ny fahotana amam-pahalotoana.


Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho, ary ho velona koa ianareo.


Izay natolotra noho ny fahadisoantsika, ary nitsangana indray mba ho fanamarinana antsika.


Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa.


Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.


efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Afobe.


ary avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany. Ho an’Ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany,