Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 14:7 - Baiboly Katolika

7 ka fafazany amin’izany impito ilay hodiovina amin’ny habokany, dia holazainy hoe madio izy, ary halefany ho any an-tsaha ilay vorona velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin’ny habokany ka hambarany fa madio izy ary halefany any an-tsaha ilay vorona velona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Dia hofafazana impito amin’izany ra izany ilay diovina ho afaka amin’ny aretin-kodiny, ka hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona; ary halefany hisidina any an-tsaha ilay vorona velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Dia hofafazana impito amin’izany ra izany ilay diovina ho afaka amin’ny aretin-kodiny, ka hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona; ary halefany hisidina any an-tsaha ilay vorona velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin’ny hakobany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin'ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin’ny habokany ka hambarany fa madio izy ary halefany any an-tsaha ilay vorona velona.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 14:7
29 Rohy Ifampitohizana  

Olona no nirahin’i Elisea hilaza aminy hoe: «Mandehana mandro impito ao Jordany, fa hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.»


Nidina izy ka nisitrika impito tao Jordany araka ny tenin’ny olon’Andriamanitra ary tonga toy ny nofon-jazakely indray ny nofony, ka nadio izy.


fony i Natàna mpaminany nankao aminy, nony efa nandeha tamin’i Betsabea izy.


Indro izaho teraka tamin’ny heloka; ineny koa torontoronina ahy tamin’ny fahotana.


no hampiontanany firenena maro. Hitampim-bava eo anatrehany ny mpanjaka, satria hahita ny tsy mbola nolazaina taminy, sy handre ny tsy mbola reny.


Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; ny fahalotoanareo rehetra mbamin’ny fahavetavetanareo rehetra, ataoko afaka aminareo.


ka raha manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia holazainy hoe: madio ilay marary; fa tonga fotsy ny tenany manontolo, ka dia madio izy.


ka hozahan’ny mpisorona, ary raha nanjary fotsy ny fery, dia holazain’ny mpisorona hoe madio ilay marary; madio izy.»


Ary halainy ny hazo sedera sy ny hisopa, mbamin’ny lamba mena antitra, sy ny vorona mbola velona, hatsobony ao anatin’ny ran’ilay vorona novonoina sy ao anatin’ny rano velona ka hamafazany ny trano impito.


Ary hangalany ny ran’ny ombalahy, hafafin’ny rantsan-tanany amin’ny fanaovam-panavotana amin’ny lafiny atsinanana ary hafafin’ny rantsan-tanany impito eo anoloan’ny fanaovam-panavotana.


hofafazan’ny rantsan-tanany impito amin’ny ra ny eo ambonin’ny ôtely, ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin’ny fahalotoan’ny zanak’i Israely.


Dia hoentin’ity osy lahy amin’ny tenany ho any amin’ny tany tsy misy mponina ny otan’izy rehetra, ka halefan’ilay olona any an’efitra ny osy lahy.


dia hanoboka ny rantsan-tanany ao amin’ny ra, hamafy izany impito, eo anatrehan’i Iaveh, tandrifin’ny efitra lamba;


hanoboka ny rantsan-tanany ao amin’ny ra, hamafy izany impito eo anatrehan’i Iaveh, tandrifin’ny efitra lamban’ny fitoerana masina.


Nofafazany izany impito ny ôtely; nohosorany avokoa ny ôtely sy ny fanaka rehetra momba azy mbamin’ny tavy amam-paladiany, mba hahamasina azy.


Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny faharatsiantsika. Harianao any ambany ranomasina, ny fahotany rehetra;


Hanadio tena amin’izany rano izany izy, amin’ny andro fahatelo sy fahafito, dia hadio, fa raha tsy manadio tena amin’ny andro fahatelo sy fahafito izy, dia tsy hadio.


Fa nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny tratrany, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay.


dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.


sy i Jesoa mpanalalana amin’ny fanekena vaovao, ary ny Ran’ny famafazana izay miteny tsaratsara kokoa noho ny an’i Abela.


Ary raha ny ran’osilahy sy ny ran-janak’omby aza mbamin’ny famafazana ny lavenom-bantotr’ombivavy nanamasina izay voaloto amin’ny fanadiovana ny nofo,


Fa rehefa voavakin’i Môizy tamin’ny vahoaka rehetra ny didy rehetra tao amin’ny Lalàna, dia nalainy ny ran-janak’omby sy ny ran’osilahy, mbamin’ny rano sy ny volon’ondry mena ary ny hisopa, ka nafafiny tamin’ny boky sy ny vahoaka rehetra,


Dia nofafazany ra toy izany koa ny tranolay mbamin’ny fanaka rehetra enti-manao raharaham-pivavahana.


raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona.


araka ny fahalalan’Andriamanitra Ray rahateo, tamin’ny fanamasinan’ny Fanahy, mba hankatò ny finoana, sy hanana anjara amin’ny famafazana ny Ran’i Jesoa Kristy: hitombo fahasoavana sy fiadanana hatrany hatrany anie ianareo!


Dia Izy no ilay avy tamin’ny rano sy ny ra; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra