Dia hoy i Izaia: «Makà ampempan’aviavy.» Dia nalaina izany, dia napetaka tamin’ny boiboika dia sitrana i Ezekiasa.
Levitikosy 13:18 - Baiboly Katolika «Raha misy olona efa voan’ny fery tao amin’ny tavany, tao amin’ny hodiny, ary efa sitrana izany, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha misy fery sitrana eo amin’ny hoditra DIEM PROTESTANTA «Raha misy olona manam-pery sitrana eo amin’ny hodiny, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Raha misy olona manam-pery sitrana eo amin’ny hodiny, Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha misy fery sitrana eo amin’ny hoditry ny nofo, Malagasy Bible Ary raha misy fery sitrana eo amin'ny hoditry ny nofo, La Bible en Malgache Raha misy fery sitrana eo amin’ny hoditra |
Dia hoy i Izaia: «Makà ampempan’aviavy.» Dia nalaina izany, dia napetaka tamin’ny boiboika dia sitrana i Ezekiasa.
Dia niala teo anatrehan’ny tavan’i Iaveh i Satana, ka nasiany habokana ratsy i Jôba, hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany.
Hoy Izy: «Raha mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, raha manao izay mahitsy eo anatrehany, raha mampandry sofina amin’ny didiny ary mitandrina ny lalàny rehetra, dia tsy hisy hameliko anao ireny aretina nafitsoko ny Ejiptianina ireny, fa i Iaveh manasitrana anao Aho.»
fa hitora-jofo eran’i Ejipta izany, ka ho tonga boiboika mipoipoitra ho vay amin’ny olona sy ny biby eran’ny tany Ejipta.»
Hoy i Izaia: «Mitondrà ampempan’aviavy iray, dia apetaho amin’ny fery, ary aoka ho sitrana ny mpanjaka.» Ary hoy i Ezekiasa: «Inona no famantarana ahalalako fa hiakatra any amin’ny tranon’i Iaveh aho?»
ka hozahan’ny mpisorona, ary raha nanjary fotsy ny fery, dia holazain’ny mpisorona hoe madio ilay marary; madio izy.»
nefa misy mamontsina fotsy na fotsy somary mena, eo amin’ny faritra misy izany fery izany, dia hiseho amin’ny mpisorona izany olona izany. Hozahan’ny mpisorona izy.
Raha nanjary fotsy ny volon-koditra eo amin’ilay hodi-potsy, sady toa lalina latsaka ambanin’ny hoditra izy, dia habokana izany; nipoitra avy amin’ny may izany, ka holazain’ny mpisorona hoe maloto izany olona izany, dia fery habokana izany.