Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 11:22 - Baiboly Katolika

Ireto no ho fihinanareo amin’ireny: ny valala isan-karazany, ny solama isan-karazany, ny hargôla isan-karazany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Amin’ireny dia ireto no ho fihinanareo: Ny valala sy ny sopanga isan-karazany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ka ireto avy izany: ny valala fihinana, ny solama, ny hargôla ary ny hagaba samy isan-karazany avy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka ireto avy izany: ny valala fihinana, ny solama, ny hargôla ary ny hagaba samy isan-karazany avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Amin’ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Amin'ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Amin’ireny dia ireto no ho fihinanareo: Ny valala sy ny sopanga isan-karazany.

Jereo ny toko



Levitikosy 11:22
10 Rohy Ifampitohizana  

Hatanjaho ny tanana osa, herezo ny lohalika mangozohozo!


Amin’ny biby madinika manana elatra mandia tongotra efatra anefa, hano ihany izay manam-pingotra ambony faladia, hitsipihany eo amin’ny tany.


Fa ny biby hafa manana elatra mandia tongotra efatra, dia ho zava-betaveta aminareo avokoa.»


Akanjo volon-drameva no fitafian’io Joany io, fehikibo hoditra no nanaovany, ary valala sy tantely remby no hanina fihinany.


Volon-drameva no nitafian’i Joany, fehikibo hoditra no nanaovany, ary valala sy tantely remby no fihinany; ary izao no notorìny:


Ny amin’izay malemy finoana dia raiso izy, nefa aza mitsara ny heviny.


Isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen’izay osa, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny.


Maro ny zavatra azonay lazaina momba izany, saingy sarotra hohazavaina aminareo, noho ianareo votsa fandray zavatra.