Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 10:4 - Baiboly Katolika

Ary i Môizy niantso an’i Misaely sy Elisafôna, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Aarôna, nilaza tamin’ireo hoe: «Manatòna ianareo ka ento ny rahalahinareo hanalavitra ny fitoerana masina any ivelan’ny toby.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Mosesy dia niantso an’i Misaela sy i Elzafana, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Arona, ka niteny taminy hoe: Manatòna ka ento hiala teo anoloan’ny fitoerana masina ny rahalahinareo ho eny ivelan’ny toby.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nampanalain’i Mosesy kosa ry i Misaela sy i Elitsafàna, samy zanakalahin’i Hoziela izay rahalahin-drain’i Aharôna, ka nilazany hoe: Manatona ianareo ka ento ny fatin’ny havanareo hiala eo amin’ny Toeramasina, ho any ivelan’ny toby.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nampanalain’i Mosesy kosa ry i Misaela sy i Elitsafàna, samy zanakalahin’i Hoziela izay rahalahin-drain’i Aharôna, ka nilazany hoe: Manatona ianareo ka ento ny fatin’ny havanareo hiala eo amin’ny Toeramasina, ho any ivelan’ny toby.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Mosesy dia nampaka an’i Misaela sy Elzafana, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Arona, ka nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan’ny fitoerana masina ho eny ivelan’ny toby.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Mosesy dia nampaka an'i Misaela sy Elzafana, zanak'i Oziela, rahalahin-drain'i Arona, ka nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan'ny fitoerana masina ho eny ivelan'ny toby.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Mosesy dia niantso an’i Misaela sy i Elzafana, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Arona, ka niteny taminy hoe: Manatòna ka ento hiala teo anoloan’ny fitoerana masina ny rahalahinareo ho eny ivelan’ny toby.

Jereo ny toko



Levitikosy 10:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Izao no anaran’ny zanaka lahin’i Gersôma: Lobnì sy Semeià.


Nalain’i Môizy ny trano lay, naoriny eo ivelan’ny toby, lavidavitra ihany, nataony hoe: ny trano lay fihaonana no anarany; ary na zovy na zovy nitady an’i Iaveh dia nankeo amin’ny trano lay fihaonana teo ivelan’ny toby.


Zanak’i Kaata: i Amrama, i Isaara, i Hebrôna ary i Oziela. Telo amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Kaata.


Zanaka lahin’i Oziela: i Misaely, i Elisafàna ary i Setrỳ.


Ny zanak’i Kaata araka ny fianakaviany dia i Amrama, i Hebrôna ary i Oziela.


Ny filohan’ny foko iavian’ireo fianakavian’ny Kaatita, dia Elisafàna zanak’i Oziela.


Rehefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina, zanak’olona lahy tokana sady mpitondratena indray ireniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy.


Dia nitsangana ny tovolahy, nofonosiny ny fatiny, ka nentiny nalevina.


Nisy mpivavaka tsara sasany nandevina an’i Etienina, sady nitomany azy fatratra.