Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 10:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Nampanalain’i Mosesy kosa ry i Misaela sy i Elitsafàna, samy zanakalahin’i Hoziela izay rahalahin-drain’i Aharôna, ka nilazany hoe: Manatona ianareo ka ento ny fatin’ny havanareo hiala eo amin’ny Toeramasina, ho any ivelan’ny toby.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary i Mosesy dia niantso an’i Misaela sy i Elzafana, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Arona, ka niteny taminy hoe: Manatòna ka ento hiala teo anoloan’ny fitoerana masina ny rahalahinareo ho eny ivelan’ny toby.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Nampanalain’i Mosesy kosa ry i Misaela sy i Elitsafàna, samy zanakalahin’i Hoziela izay rahalahin-drain’i Aharôna, ka nilazany hoe: Manatona ianareo ka ento ny fatin’ny havanareo hiala eo amin’ny Toeramasina, ho any ivelan’ny toby.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Ary i Môizy niantso an’i Misaely sy Elisafôna, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Aarôna, nilaza tamin’ireo hoe: «Manatòna ianareo ka ento ny rahalahinareo hanalavitra ny fitoerana masina any ivelan’ny toby.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary Mosesy dia nampaka an’i Misaela sy Elzafana, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Arona, ka nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan’ny fitoerana masina ho eny ivelan’ny toby.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary Mosesy dia nampaka an'i Misaela sy Elzafana, zanak'i Oziela, rahalahin-drain'i Arona, ka nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan'ny fitoerana masina ho eny ivelan'ny toby.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Ary i Mosesy dia niantso an’i Misaela sy i Elzafana, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Arona, ka niteny taminy hoe: Manatòna ka ento hiala teo anoloan’ny fitoerana masina ny rahalahinareo ho eny ivelan’ny toby.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 10:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Ireto avy no anaran’ny zanakalahin’i Gersôna: i Libnỳ sy i Simehỳ.


Isak’izay nilasy an-toby ny Israelita, dia nalain’i Mosesy ny tranolay masina ka naoriny teny ivelan’ny toby, teny lavidavitra. Nantsoina hoe Tranolay fihaonana izany, satria izay rehetra te hanontany ny TOMPO dia mivoaka ny toby ka mankao amin’izany tranolay izany.


Ny zanakalahin’i Kehata dia i Hamrama, i Jitsehara, i Hebrôna ary i Hoziela. Naharitra telo amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Kehata.


Ny zanakalahin’i Hoziela dia i Misaela sy i Elitsàfana ary i Sitrỳ.


Ary ny anaran’ny zanakalahin’i Kehata dia ireto avy: i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrôna sy i Hoziela ka izy efa-dahy no razan’ny tarika avy aminy.


I Elisafàna zanakalahin’i Hoziela no filoham-pianakaviamben’ny Kehatita.


Rehefa tonga teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia tojo olona handevina fatin-jazalahy anankiray; ramatoa reniny tsy nanana afa-tsy iny sady efa mpitondratena, koa olona marobe avy ao an-tanàna no niaraka taminy.


Tonga ny tovolahy, dia nofonosiny ny faty ary nentiny nalevina.


Nisy kosa mpivavaka tsara nandevina an’i Stefàna sady nisaona azy fatratra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra