Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 1:14 - Baiboly Katolika

Raha vorona hatao sorona dorana no ateriny amin’i Iaveh, dia domohina na vanto-boromahailala no hateriny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha vorona no atolony ho an’NY TOMPO ho fanatitra dorana manontolo dia domohina na voromailala no hatolony ho fanatitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Rehefa vorona no atolotra ho sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO, dia domohina na voromahailala no aoka hatolotra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Rehefa vorona no atolotra ho sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO, dia domohina na voromahailala no aoka hatolotra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha vorona no ateriny ho an’i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha vorona no ateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha vorona no atolony ho an’NY TOMPO ho fanatitra dorana manontolo dia domohina na voromailala no hatolony ho fanatitra.

Jereo ny toko



Levitikosy 1:14
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Iaveh taminy: «Mandehana maka omby vavy kely efa telo taona iray, osy vavy efa telo taona iray, ondrilahy efa telo taona iray, domohina iray, ary vanto-boromahailala iray.»


Raha tsy manan-kamidy ny zanak’ondry izy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hoentiny: ny iray hatao sorona dorana, ny iray hatao sorona noho ny ota, hanaovan’ny mpisorona fanonerana ho azy, dia hadio izy.»


Ary ny vorona anankiray hanaovany sorona dorana araka ny fombany. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ho an’izany olona izany, ny fanonerana ny fahotana nataony; dia ho voavela ny otany.


Raha tsy manan-katao hahazoany domohina roa na vanto-boromahailala roa izy, dia lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah no hoentiny ho fanatitra noho ny otany, hatao sorona noho ny ota; tsy horarahany diloilo eo amboniny, na ampiany emboka, fa sorona noho ny ota izany.


Raha tsy manan-katao izy hahazoany ondry vavy na osy vavy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hateriny ho an’i Iaveh ho fanonerana ny otany; ny iray ho sorona noho ny ota; ny iray ho sorona dorana.


Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;


Dia niditra tao amin’ny Tempolin’Andriamanitra i Jesoa, ka nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao anatin’ny Tempoly, sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola mbamin’ny fipetrahan’ny mpivaro-boromahailala.


ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromahailala roa, araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo.»


Fa rehefa eo ny fahazotoana hanao, dia araka izay ananana ihany, fa tsy araka izay tsy ananana, no ankasitrahana izay atao.


Eny tokoa, dia mpisorom-be toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra;