Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 1:14 - DIEM PROTESTANTA

14 «Rehefa vorona no atolotra ho sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO, dia domohina na voromahailala no aoka hatolotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Raha vorona no atolony ho an’NY TOMPO ho fanatitra dorana manontolo dia domohina na voromailala no hatolony ho fanatitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 «Rehefa vorona no atolotra ho sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO, dia domohina na voromahailala no aoka hatolotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Raha vorona hatao sorona dorana no ateriny amin’i Iaveh, dia domohina na vanto-boromahailala no hateriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary raha vorona no ateriny ho an’i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary raha vorona no ateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 1:14
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia novaliany hoe: –Itondray vantotr’ombivavy iray sy osivavy iray sy ondrilahy iray samy telo taona Aho ary koa domohina sy voromahailala iray avy.


Raha tsy tratry ny fananan-dravehivavy ny zanakondry anankiray, dia hitondra domohina na voromahailala anankiroa izy: ny anankiray hatao sorona dorana manontolo, ny anankiray kosa hatao sorona fanalana ny ota. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay vehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana, dia hadio izy.


Ny vorona anankiray kosa dia sorona dorana manontolo araka ny fomba fanao; ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


«Raha tsy takatry ny fananan’ny olona indray ny domohina na voromahailala roa, dia koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, no hoentiny ho fanatitra fanalana ny ota; tsy handrarahany menaka sady tsy hasiany vovoka zava-manitra izany, satria fanatitra fanalana ny ota.


«Raha tsy takatry ny fananan’ny olona kosa ny ondrivavy na osivavy iray, dia domohina roa na voromahailala roa no hoentiny amin’ny TOMPO ho fanonerana ny ota vitany ka ny anankiray ho sorona fanalana ny ota, ary ny anankiray kosa ho sorona dorana manontolo.


Raiso ny fampianarako ary mianara amiko fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; ary dia hahita fialan-tsasatra ao anatinareo ianareo.


Dia namantana tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo dia noroahiny avokoa, ny latabatr’ireo mpanakalo vola sy ny sezan’ireo mpivaro-boromahailala nazerany;


Nitondra fanatitra araka ny voalaza ao amin’ny lalànan’ny Tompo ihany koa i Maria sy i Jôsefa, izany hoe fanatitra «domohina roa na voromahailala roa».


Fa raha misy ny risi-po hanome, dia ny manome araka izay ananana ihany no ankasitrahin’Andriamanitra, fa tsy hoe ny manome araka izay tsy ananana.


Eny, Mpisorombe natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin’ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra