Josoa 9:19 - Baiboly Katolika Ka hoy ny filohany rehetra tamin’ny fiangonana rehetra: «Efa nanao fianianana taminy izahay tamin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ary izao tsy mahazo mikasika azy isika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa hoy ny loholona rehetra tamin’ny fiangonana manontolo: NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nianiananay taminy, koa ankehitriny dia tsy mahazo mamely azy isika. DIEM PROTESTANTA saingy novalian’ireo hoe: –Ny anaran’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no efa nianiananay taminy; koa tsy azontsika atao ny mamely azy ankehitriny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara saingy novalian’ireo hoe: –Ny anaran’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no efa nianiananay taminy; koa tsy azontsika atao ny mamely azy ankehitriny. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy ny loholona rehetra tamin’ny fiangonana rehetra: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianiananay taminy; koa ankehitriny tsy mahazo mamely azy isika. Malagasy Bible Fa hoy ny loholona rehetra tamin'ny fiangonana rehetra: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianiananay taminy; koa ankehitriny tsy mahazo mamely azy isika. La Bible en Malgache Nefa hoy ny loholona rehetra tamin’ny fiangonana manontolo: NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nianiananay taminy, koa ankehitriny dia tsy mahazo mamely azy isika. |
Na inona na inona tsy misy avaka ny mahazo ny olombelona rehetra; sahala ny anjaran’ny marina sy ny ratsy, ny tsara sady madio, sy ny tsy madio, ny manao sorona sy ny tsy manao sorona; izay manjò ny olona tsara fanahy ihany no manjò ny mpanota koa; izay nianiana, tsy misy hafa amin’izay tsy sahy mianiana.
Ary raha ianao mianiana hoe: Velona i Iaveh! ka amim-pahamarinana sy hitsiny ary rariny no ianiananao, dia holazain’ny firenena, fa Izy no hanambina azy ireo ary Izy no hireharehan’izy ireo.
Noho ny fianianana nataon’ny lohan’ny fiangonana taminy tamin’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely dia tsy namely azy ireo izy, nefa nimonomonona tamin’ny filohany, ny fiangonana rehetra.
Fa izao no hanaovantsika azy: Havelantsika ho velona ihany izy, mba tsy hitarika ny fahatezeran’i Iaveh amintsika noho ny fianianana efa nataonay taminy.»