Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany; ary koa ny fahavinirany, fa loza izany. Hizarazara azy amin’i Jakôba aho, ary hampihahaka azy amin’i Israely.
Josoa 21:1 - Baiboly Katolika Nanatona an’i Eleazara, mpisorona, sy i Jôsoe, zanak’i Nona ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, ny loham-pianakavian’ny Levita, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny levita dia nanatona an’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny fokon’ny Zanak’Israely, DIEM PROTESTANTA Ary ny filoham-pianakaviana tamin’ny fokon’i Levỳ dia nanatona an’i Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona ary ny filoham-pianakaviana tamin’ny foko israelita; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny filoham-pianakaviana tamin’ny fokon’i Levỳ dia nanatona an’i Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona ary ny filoham-pianakaviana tamin’ny foko israelita; Baiboly Protestanta Malagasy ARY ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny Levita dia nanatona an’i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny firenen’ny Zanak’Isiraely Malagasy Bible Ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Levita dia nanatona an'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely La Bible en Malgache Ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny levita* dia nanatona an’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny fokon’ny Zanak’Israely, |
Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany; ary koa ny fahavinirany, fa loza izany. Hizarazara azy amin’i Jakôba aho, ary hampihahaka azy amin’i Israely.
Izao no loham-pianakavian’izy ireo: Zanaka lahin-dRobena, lahy matoan’i Israely: i Henoka, i Falao, i Hesrôna ary i Karmì. Ireo no fianakavian’i Robena.
I Eleazara, zanaka lahin’i Aarôna, nanambady ny anankiray amin’ny zanaka vavin’i Fotiela, ka izay no niteraka an’i Finea taminy. Ireo no loham-pianakavian’ny Levita araka ny fianakaviany.
Niteny tamin’i Môizy i Iaveh tao an-tany lemak’i Moaba amoron’i Jordany, tandrifin’i Jerikao nanao hoe:
Ny zaratanin’ny zanak’i Israely hanomezanareo ireo tanàna ireo, dia izay manam-be no hangalanareo be ary izay manan-kely no hangalanareo kely; ka dia samy hanome ny Levita amin’ny tanànany araka ny lova noraisiny avy izy ireo.»
Izao no noraisin’ny zanak’i Israely ho lova, tany amin’ny tany Kanaana, izay nozarain’i Eleazara mpisorona sy i Jôsoe zanak’i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’i Israely.
Nankeo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy teo anatrehan’i Jôsoe zanak’i Nona, sy teo anatrehan’ny filohany izy ireo, ka nanao hoe: «Nandidy an’i Môizy i Iaveh hanome zara tany anay eo amin’ny anadahinay.» Dia nomena zara tany teo amin’ny rahalahin-drainy izy ireo, araka ny didin’i Iaveh.
Ireo no lova nozarain’i Eleazara mpisorona, sy i Jôsoe zanak’i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, tamin’ny filokana, tany Silô, teo anatrehan’i Iaveh, teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana. Izany no nanaperany ny fizaràna ny tany.