Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 21:1 - Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny Levita dia nanatona an’i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny firenen’ny Zanak’Isiraely

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny levita dia nanatona an’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny fokon’ny Zanak’Israely,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Ary ny filoham-pianakaviana tamin’ny fokon’i Levỳ dia nanatona an’i Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona ary ny filoham-pianakaviana tamin’ny foko israelita;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ary ny filoham-pianakaviana tamin’ny fokon’i Levỳ dia nanatona an’i Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona ary ny filoham-pianakaviana tamin’ny foko israelita;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Nanatona an’i Eleazara, mpisorona, sy i Jôsoe, zanak’i Nona ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, ny loham-pianakavian’ny Levita,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Levita dia nanatona an'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 21:1
9 Rohy Ifampitohizana  

Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, Ary ny fahavinirany, fa loza izany; Hampihahakahaka azy eny amin’i Jakoba aho, Ary hanely azy eny amin’Isiraely.


IZAO no lohan’ny fianakaviany: –Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan’Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fokom-pirenen-dRobena.


Ary Eleazara, zanakalahin’i Arona, naka vady avy tamin’ny zanakavavin’i Potiela, dia niteraka an’i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan’ny fianakavian’ny Levita, araka ny fokom-pireneny.


ARY Jehovah niteny tamin’i Mosesy teo Arbota-moaba, amoron’i Jordana tandrifin’i Jeriko, ka nanao hoe:


Ary ny amin’ny tanàna izay homenareo avy amin’ny zara-tanin’ny firenen’ ny Zanak’Isiraely, dia izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome tanàna ho an’ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy.


ARY izao no nolovan’ny Zanak’Isiraely teo amin’ny tany Kanana, izay nampandovain’i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’i Nona, ary ny loholon’ny firenen’ny Zanak’Isiraely;


Dia nanatona teo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’i Nona, ary ny loholona izy ireo ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an’i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin’ny anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin’ny rahalahin-drainy izy araka ny didin’i Jehovah.


Ireo no lova izay nozarain’i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny firenen’ny Zanak’Isiraely tao Silo teo anatrehan’i Jehovah, dia teo am-baravaran’ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra