Izay malaina amin’ny asany, ho tonga mahantra, fa ny tanan’ny mazoto kosa, manangon-karena.
Josoa 18:3 - Baiboly Katolika Hoy i Jôsoe tamin’ny zanak’i Israely: «Mandra-pahoviana ianareo no hanao tsikamokamo amin’ny fakana ny tany izay nomen’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo anareo? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Josoa tamin’ny Zanak’Israely: Mandra-pahoviana ianareo no hiraviravy tanana tsy hiditra handray ny tany izay nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, anareo? DIEM PROTESTANTA Ka hoy i Josoa tamin’ireo Israelita ireo: –Mandra-pahoviana no hiandrasanareo tsy handeha handray ny tany izay nomen’ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo anareo? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka hoy i Josoa tamin’ireo Israelita ireo: –Mandra-pahoviana no hiandrasanareo tsy handeha handray ny tany izay nomen’ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo anareo? Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Josoa tamin’ny Zanak’Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany izay omen’i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo? Malagasy Bible Dia hoy Josoa tamin'ny Zanak'Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo ? La Bible en Malgache Dia hoy i Josoa tamin’ny Zanak’Israely: Mandra-pahoviana ianareo no hiraviravy tanana tsy hiditra handray ny tany izay nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, anareo? |
Izay malaina amin’ny asany, ho tonga mahantra, fa ny tanan’ny mazoto kosa, manangon-karena.
Be faniriana ny kamo, fa tsy ho tanteraka, fa ny fanirian’ny olo-mazoto kosa, ho tanteraka mahafa-po.
Izay rehetra azon’ny tananao atao, dia ataovy amin-kerim-po; fa tsy misy asa na fahalalana na fahaizana, na fahendrena any amin’ny Seoly izay halehanao.
Amin’izany andro izany, izao no holazaina amin’i Jerosalema: Aza matahotra, ry Siôna, ary aza miraviravy tanana!
Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?
Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombokase»
«Matanjaha ary mahereza fo, fa ianao no hampanana ity firenena ity ny tany efa nianianako tamin’ny razany homena azy.
Efa antitra sy efa nandroso fahanterana i Jôsoe: ka hoy i Iaveh taminy: «Ianao ity efa antitra, efa mandroso fahanterana nefa ny tany lehibe dia lehibe no mbola sisa halaina.»
Koa mifidiana telo lahy isam-poko ianareo, dia hirahiko izy, ary hiainga ka hitety ny tany ireo, ka handahatra ny toetry ny tany hizarana azy, ary hiverina atỳ amiko indray.
Ka hoy ny navaliny: «Mitsangàna, miakara isika hamely an’ireny, fa efa hitanay ny tany, ka indro fa tany soa indrindra, ka no mipetraka eo foana tsy miteny tsy mivolana ianareo? Aza milasilasy amin’ny fandehanana haka izany tany izany.