Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io. Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha.
Josoa 16:2 - Baiboly Katolika Avy ao Betela ny faritry ny tany nihatra tamin’ny Lozy, ary nihazo tamin’ny faritry ny tanin’ny Arkeanina ao Atarôta, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 hatreo Betela ka hatrany Lozy, nandroso hatrany amin’ny sisintanin’ny Arkita any Atarota, DIEM PROTESTANTA Dia mankany Lozy, mandalo an’i Hatarôta izay sisin-tanin’ny Arkita, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia mankany Lozy, mandalo an’i Hatarôta izay sisin-tanin’ny Arkita, Baiboly Protestanta Malagasy dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin’ny fari-tanin’ny Arkita hatrany Atarota, Malagasy Bible dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin'ny fari-tanin'ny Arkita hatrany Atarota, La Bible en Malgache hatreo Betela ka hatrany Lozy, nandroso hatrany amin’ny sisintanin’ny Arkita any Atarota, |
Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io. Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha.
Nony tonga teo an-tampony i Davida teo amin’izay hivavahan’ny olona amin’Andriamanitra dia inty i Kosaia, ilay Arakita, tonga teo anatrehany, ka ny akanjony rovitra, ny lohany mihosim-bovoka.
Dia niverina nankany an-tanàna i Kosaia sakaizan’i Davida, ka tamin’izay indrindra no nidiran’i Absalôma tao Jerosalema.
Nony tonga nanatona an’i Absalôma i Kosaia, ilay Arakita, dia hoy i Kosaia tamin’i Absalôma nanao hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»
I Akitôfela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka, ary i Kosaì, Arkeanina, dia sakaizan’ny mpanjaka;
Ary ny taniny amam-ponenany, dia i Betela mbamin’ny tanàna momba azy, any atsinanana, i Noràna, any andrefana i Gezera mbamin’ny tanàna momba azy, hatrany Azà mbamin’ny tanàna momba azy.
Avy eo ny faritra dia nahazo an’i Lozy amin’ny kisolosolon’i Lozy any atsimo, dia i Betela izany; dia nidina indray ny faritry ny tany mankany Atarôt-Adara, nihazo tamin’ny tendrombohitra ao atsimon’i Betôrôna ambany.