Ny lafiny andrefana dia ho ny ranomasina lehibe hatramin’io sisin-tany io, ka hatramin’ny hadilan-tanin’ny Hamata. Izany no lafiny andrefana.
Josoa 15:12 - Baiboly Katolika Ary ny faritry ny tany andrefana dia ny ranomasina lehibe sy ny taniny. Izany no faritry ny tanin’ny taranak’i Jodà, araka ny fianakaviany, amin’ny lafiny rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny sisintany andrefana dia ny moron’ny Ranomasina Lehibe. Izany no sisintany manodidina ny anjaran’ny taranak’i Joda araka ny fianakaviany. DIEM PROTESTANTA Ny sisin-tany ao andrefana dia ny Ranomasina Mediteranea, izany hoe ny morontsiraka. Izay no faritra manodidina ny zaratany azon’ny taranak’i Joda ho an’ireo tarika ao anatiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny sisin-tany ao andrefana dia ny Ranomasina Mediteranea, izany hoe ny morontsiraka. Izay no faritra manodidina ny zaratany azon’ny taranak’i Joda ho an’ireo tarika ao anatiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron’ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran’ny taranak’i Joda araka ny fokony. Malagasy Bible Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron'ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran'ny taranak'i Joda araka ny fokony. La Bible en Malgache Ary ny sisintany andrefana dia ny moron’ny Ranomasina Lehibe. Izany no sisintany manodidina ny anjaran’ny taranak’i Joda araka ny fianakaviany. |
Ny lafiny andrefana dia ho ny ranomasina lehibe hatramin’io sisin-tany io, ka hatramin’ny hadilan-tanin’ny Hamata. Izany no lafiny andrefana.
Manolotra ny sisin-tanin-dRobena hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Jodà.
Ho anareo avokoa ny tany rehetra hodiavin’ny faladian-tongotrareo; hatramin’ny efitra ka hatrany Libàna, ary hatramin’ny ony Eofrata ka hatramin’ny ranomasina andrefana, no ho faritanareo.
Ny faritry ny tany nipaka amin’ny kisolosolo avaratr’i Akarôna, ary nizotra ny faritry ny tany mankany Sekrôna, nihazo amin’ny tendrombohitra Baala ary nipaka amin’i Jebneela ary nihatra amin’ny ranomasina.
i Azota sy ny tanàna momba azy ary ny zana-bohiny; i Gazà sy ny tanàna momba azy, mbamin’ny zana-bohiny, hatramin’ny ranon-driakan’i Ejipta, sy hatramin’ny Ranomasina Lehibe izay fariny.
Hozarainy fito toko ny tany; i Jodà hitoetra amin’ny faritaniny ao atsimo, ary ny taranak’i Josefa hitoetra amin’ny faritaniny ao avaratra.