Aza miditra amin’ny fivoriany fakan-kevitra ny fanahiko, Fa nanao vonoana olona tamin’ny fahatezerana izy, ary nahatraingo ombalahy tamin’ny fisafoahany.
Josoa 11:9 - Baiboly Katolika Dia nataon’i Jôsoe tamin’izy ireo araka izay nolazain’i Iaveh azy, ka ny soavaliny notraingoiny, ny kalesiny nodorany tamin’ny afo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanatanteraka taminy araka izay efa nandidian’NY TOMPO azy i Josoa: Notraingoiny ny soavalin’ireny ary nodorany tamin’ny afo ny kalesy fitondrany miady. DIEM PROTESTANTA Araka izay nolazain’ny TOMPO no nataon’i Josoa taminy, ka notraingoiny ny soavalin’ireo ary nodorany tamin’ny afo ny kalesiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Araka izay nolazain’ny TOMPO no nataon’i Josoa taminy, ka notraingoiny ny soavalin’ireo ary nodorany tamin’ny afo ny kalesiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Josoa dia nanao taminy araka izay efa nandidian’i Jehovah azy: ny soavalin’ireny notraingoiny, ary ny kalesiny nodorany tamin’ny afo. Malagasy Bible Ary Josoa dia nanao taminy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy: ny soavalin'ireny notraingoiny ary ny kalesiny nodorany tamin'ny afo. La Bible en Malgache Ary nanatanteraka taminy araka izay efa nandidian’NY TOMPO azy i Josoa: Notraingoiny ny soavalin’ireny ary nodorany tamin’ny afo ny kalesy fitondrany miady. |
Aza miditra amin’ny fivoriany fakan-kevitra ny fanahiko, Fa nanao vonoana olona tamin’ny fahatezerana izy, ary nahatraingo ombalahy tamin’ny fisafoahany.
Ary miaramila an-tsoavaly 1.700, miaramila an-tongotra roa alina, no nosamborin’i Davida taminy; ny soavalin-kalesy notraingoin’i Davida avokoa, fa ny mpitarika kalesy zato sisa no notanany.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Ilay liona nifaoka izay nilain’ny zanany, nanakenda ho an’ny liombaviny, nameno haza ny lavany, sy toha, ny zohiny.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Aza matahotra an’ireo fa rahampitso toy izao dia hatolotro eo anoloan’i Israely izy ireo, ka hatolotro izy efa voagorobaka avokoa, ka traingoy ny soavaliny, ary dory ny kalesiny.»