Josoa 11:5 - Baiboly Katolika Nivory avokoa ireo mpanjaka ireo, dia tonga niara-nitoby teo akaikin’ny ranon’i Merôma, mba hanafika an’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo dia nandeha hiady tamin’ny Israely ka nitoby teo anilan’ny rano Meroma. DIEM PROTESTANTA Nifanaraka izy rehetra ka tonga niara-nitoby teo akaikin’ny loharanon’i Merôma mba hiady amin’ny Israelita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nifanaraka izy rehetra ka tonga niara-nitoby teo akaikin’ny loharanon’i Merôma mba hiady amin’ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin’ny Isiraely ka nitoby teo anilan’ny rano Meroma. Malagasy Bible Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin'ny Isiraely ka nitoby teo anilan'ny rano Meroma. La Bible en Malgache Rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo dia nandeha hiady tamin’ny Israely ka nitoby teo anilan’ny rano Meroma. |
Manaova akoran’ady, ry vahoaka, nefa ho resy ianareo! Manongilàna sofina ianareo rehetra, ry fara vazan’ny tany. Vonony ny fitaovanareo, nefa ho resy ianareo! Vonony ny fitaovanareo, nefa ho resy ianareo e!
Dia nivoaka ireny, dia nomban’ny tafiny rehetra, vahoaka tsy hita isa toy ny fasika any amoron-dranomasina, sy ny soavaly aman-kalesiny be dia be indrindra.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Aza matahotra an’ireo fa rahampitso toy izao dia hatolotro eo anoloan’i Israely izy ireo, ka hatolotro izy efa voagorobaka avokoa, ka traingoy ny soavaliny, ary dory ny kalesiny.»
Fanahin-devoly ireo, ary manao fahagagana sy mankany amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra, mba hamory azy ho amin’ilay andro lehiben’Andriamanitra tsitoha. -