Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jona 1:1 - Baiboly Katolika

Ary tonga tamin’i Jônasy zanak’i Amatì, ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tonga tamin’i Jona, zanak’i Amitahy, ny tenin’NY TOMPO hoe:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Indray andro dia nisy baikon’ny TOMPO tamin’i Jônà zanakalahin’i Amitahy nanao hoe:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Indray andro dia nisy baikon’ny TOMPO tamin’i Jônà zanakalahin’i Amitahy nanao hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY tonga tamin’i Jona, zanak’i Amitahy, ny tenin’i Jehovah nanao hoe:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tonga tamin'i Jona, zanak'i Amitahy, ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tonga tamin’i Jona, zanak’i Amitahy, ny tenin’NY TOMPO hoe:

Jereo ny toko



Jona 1:1
7 Rohy Ifampitohizana  

Izy no nampody ny sisin-tanin’i Israely, ho araka ny faritany taloha, hatramin’ny hadilalan’i Emata ka hatramin’ny Ranomasin’i Arabah, araka ny tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely nolazainy tamin’ny alalan’ny mpanompony Jônasa mpaminany zanak’i Amatì, avy any Gety-Kefera.


Efa nierona ny liona, ka zòvy no tsy hatahotra? Efa niteny ny Tompo Iaveh, ka iza no tsy haminany?


Tonga fanindroany tamin’i Jônasy ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:


Koa hainareo ny maminany amin’ny endriky ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana kosa tsy hainareo. Ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity dia mitady famantarana, fa tsy hisy famantarana hafa homena azy afa-tsy ny an’i Jônasy mpaminany ihany.» Dia nilaozany teo ireo, ka lasa Izy.


Hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity ny olona tany Niniva amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasy izy ireny, nefa indro misy mihoatra noho i Jônasy eto.»