ary mampitsipika azy hoatry ny valala? Mamelona fampatahorana ny fanenony miandranandrana.
Joela 2:5 - Baiboly Katolika Misy re hoatra ny firodorodon’ny kalesy mievotrevotra eny antampon-tendrombohitra; tahaka ny firohondrohon’ny lelafo, mandevona ny mololo; ary tahaka ny firenena mahery, voalahatra hiady. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tahaka ny figorodon’ny kalesy fitondra miady any an-tampon’ny tendrombohitra no figorodon’ny fitsambikimbikiny, eny, tahaka ny fipororotry ny lelafo mandoro mololo, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady. DIEM PROTESTANTA Tahaka ny firodorodon’ny kalesy na ny fipoapoaky ny lelafo amin’ny bozaka may no itsambikimbikinany mitety tampon-tendrombohitra. Eny, tahaka ny tafika matanjaka no efa ilaharany mivonon-kiady. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tahaka ny firodorodon’ny kalesy na ny fipoapoaky ny lelafo amin’ny bozaka may no itsambikimbikinany mitety tampon-tendrombohitra. Eny, tahaka ny tafika matanjaka no efa ilaharany mivonon-kiady. Baiboly Protestanta Malagasy Tahaka ny figorodon’ny kalesy any an-tampon’ny tendrombohitra no figorodon’ny fitsambikimbikiny, Sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin’ny hain-tanety, Ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady. Malagasy Bible Tahaka ny figorodon'ny kalesy any an-tampon'ny tendrombohitra no figorodon'ny fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin'ny hain-tanety, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady. La Bible en Malgache Tahaka ny figorodon’ny kalesy fitondra miady any an-tampon’ny tendrombohitra no figorodon’ny fitsambikimbikiny, eny, tahaka ny fipororotry ny lelafo mandoro mololo, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady. |
ary mampitsipika azy hoatry ny valala? Mamelona fampatahorana ny fanenony miandranandrana.
I Iaveh hampiriadriatra ny feony miezinezina, ary hampiseho ny fiantèfan’ny sandriny, amin’ny firehitry ny hatezerany aman-delafo mandevona; amin’ny tafio-drivotra aman-dranonoram-baratra sy vato havandra.
Noho izany, toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo, sy toy ny fitelin’ny afo ny ahi-maina, ny fakany hanahaka zavatra lo; ary ny voniny hofaohiny toy ny vovoka; satria nanipaka ny lalàn’i Iavehn’ny tafika izy ireo, sy naniratsira ny tenin’Ilay Masin’i Israely.
Tsipìka aman-dongy no entiny an-tanana; olo-masiaka tsy mahalala antra izy. Mireondreona hoatra ny ranomasina ny feony, mitaingin-tsoavaly izy, milahatra hoatra ny olona iray monja, hamely anao, ry zanaka vavin’i Babela.
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny tsara ny famoloana, ka ny variny hangoniny any an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»
Ny fiarovan-tratran’izy ireo dia toy ny akanjo vy; ny fikopakopaky ny elany, sahala amin’ny fikotrokotroky ny kalesy tarihin-tsoavaly maro miriotra hiady;