Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Joela 1:18 - Baiboly Katolika

Endrey izany fitolokon’ny biby; Mihoalahoala ny andian’omby, satria tsy manan-kanina izy, miferinaina mbamin’ny andian’ondry.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Indrisy ny fitoreon’ny biby! Very hevitra ny andian’omby satria tsy misy ahitra ho azy; eny, na dia ny andian’ny ondry aman’osy aza dia mijaly noho izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Indrisy fa mitoreo ny biby! Mihoalahoala ny andian’omby, satria tsy misy ahitra ho azy. Eny, mihareraka hatramin’ny andian’ondry aza.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Indrisy fa mitoreo ny biby! Mihoalahoala ny andian’omby, satria tsy misy ahitra ho azy. Eny, mihareraka hatramin’ny andian’ondry aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Indrisy, ny fitoreon’ny biby! Very hevitra ny omby andiany, Satria tsy misy ahitra ho azy; Eny, na dia ny andian’ny ondry aman-osy aza dia mijaly noho ny heloka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Indrisy, ny fitoreon'ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy; Eny, na dia ny andian'ny ondry aman'osy aza dia mijaly noho ny heloka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Indrisy ny fitoreon’ny biby! Very hevitra ny andian’omby satria tsy misy ahitra ho azy; eny, na dia ny andian’ny ondry aman’osy aza dia mijaly noho izany.

Jereo ny toko



Joela 1:18
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Akaba tamin’i Abdiasa: «Mandehana mitety ny tany, mankany amin’ny loharano aman-dranon-driaka rehetra, fa angamba hisy ahitra, ka hovelomintsika ny soavaly sy mole, ka tsy hamonoantsika ny biby fiompintsika.»


Ary i Salômôna mpanjaka sy ny fiangonan’i Israely rehetra izay nantsoiny ho eo aminy, dia niaraka taminy teo anoloan’ny Fiara. Ondry sy omby tsy hita isa sy tsy tambo isaina noho ny hamaroany no novonoiny ho sorona.


Mandra-pahoviana no hisaonan’ny tany, sy hahalazo ny ahitra eo amin’ny saha rehetra? Noho ny haratsian’izay monina eo dia maty avokoa ny biby amam-borona, fa hoy izy ireo: «Tsy hahita ny hiafarantsika izy!»


Noho izany, misaona ny tany, ary tsy manan-kery ny mponina rehetra ao aminy, hatramin’ny biby any an-tsaha sy ny voromanidina; ringana mbamin’ny hazandrano any anaty ranomasina aza.


Mimamamama miantso Anao hatramin’ny biby dia, satria ny renirano ritra; ny kijana an’efitra levon’ny afo.


Hierona avy ao Siôna i Iaveh; ary hampandre ny feony avy ao Jerosalema Izy; ny tany fiandrasan’ny mpiandry ondry, hisaona; ary ny tampon’i Karmela, ho maina.


Satria amin’izany ny aviavy tsy hamontsina, ny voaloboka tsy hisy hotoazana; ny ôliva tsy hisy voany; ary ny saha tsy hahavoka-kanina; tsy hisy intsony ao amin’ny vala ny ondry ary ny fahitra tsy hisy omby intsony.


Noho izany ny lanitra tsy nandefa ny ando ho anareo, ary ny tany mandà tsy hanome ny vokany.


Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny, dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao.