Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 8:18 - Baiboly Katolika

Indrisy, ry fampiononana ahy amin’ny fahoriako ô! Reraka ny foko ato anatiko!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Indrisy! Enga anie ka hisy fampifaliana ho ahy eto amin’ny alaheloko fa reraka ny foko ato anatiko.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Marary mikainkona ny foko; tsy misy fanafody hahasitrana ny alaheloko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Marary mikainkona ny foko; tsy misy fanafody hahasitrana ny alaheloko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Indrisy! enga anie ka hisy fahamiramiranana ho ahy eto amin’ny alaheloko, Fa reraka ny foko ato anatiko.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Indrisy! enga anie ka hisy fahamiramiranana ho ahy eto amin'ny alaheloko, fa reraka ny foko ato anatiko.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Indrisy! Enga anie ka hisy fampifaliana ho ahy eto amin’ny alaheloko fa reraka ny foko ato anatiko.

Jereo ny toko



Jeremia 8:18
12 Rohy Ifampitohizana  

Hafaingano ny valim-bavako, ry Iaveh, fa reraka eo ihany ny fanahiko; aza manafina ny Tavanao amiko, fa manahaka ny efa midina any am-pasana aho.


Koa niteny aho nanao hoe: «Mihodìna tsy hijery ahy, aoka hitomany mafy aho! Aza maimay hampionona ahy, noho ny fandringanana ny zanaka vavin’ny vahoakako.»


Ho an’ireo mpaminany: Ny foko torotoro ato anatiko; ny taolako rehetra mipararetra; izaho hoatra ny olona mamo hoatra ny olona leon-divay, eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny teniny masina.


Ny kiboko re! ny kiboko re! mihatra amin’ny vololon’aiko ny fanaintainana! Mikorontana ny foko; tsy afa-mangina aho, fa renao, ry fanahiko, ny feon’anjomara, ny akoran’ady.


Vao nandre azy tamy izahay, dia niraviravy tanana, velon-tebiteby, azom-panaintainana, hoatra ny vehivavy miteraka.


Iza no mba hampahita ahy, fialofan’ny mpandeha any an’efitra, handaozako ny fireneko, hihatahako amin’izy ireo, satria izy ireo mpijangajanga avokoa, fiangonan’olona mpivadika.


Izao no antony raha marary ny fonay, izao no antony raha nihamaizina ny masonay.


Vao nandre aho dia nivadika ny tsinaiko; mipararetra amin’izany feo izany ny molotro, idiran’ny fahalòvana ny taolako, mangovitra ny lohaliko eo ambaniko, noho ny tsy maintsy hiandrasako amim-piadanana ny andro mahory, izay hiakaran’ny fahavalo hampahory ny vahoaka anankiray.