Jeremia 6:9 - Baiboly Katolika Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Hotsimponina hoatra ny fitsimpona voaloboka, izay sisa amin’i Israely. Averimbereno eo ny tananao, toy ny ataon’ny mpioty amin’ny rantsam-boaloboka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hotsimponina tsirairay toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin’ny Israely; avereno ho amin’ny rantsany indray ny tananao, toy ny an’ny mpioty voaloboka. DIEM PROTESTANTA Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Tangosy hatramin’ny farany toy ny fitango voaloboka ireo olona sisa amin’i Israely; averimbereno eny amin’ny rantsany madinika toy ny an’ny mpioty voaloboka ny tananao!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Tangosy hatramin’ny farany toy ny fitango voaloboka ireo olona sisa amin’i Israely; averimbereno eny amin’ny rantsany madinika toy ny an’ny mpioty voaloboka ny tananao!» Baiboly Protestanta Malagasy Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin’ny Isiraely; Avereno ho amin’ny sakeliny ny tànanao Toy ny mpioty voaloboka. Malagasy Bible Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin'ny Isiraely; Avereno ho amin'ny sakeliny ny tananao toy ny mpioty voaloboka. La Bible en Malgache Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hotsimponina tsirairay toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin’ny Israely; avereno ho amin’ny rantsany indray ny tananao, toy ny an’ny mpioty voaloboka. |
Indro aho miantso mpanarato an-kamaroany, - teny marin’i Iaveh, - ka hanarato azy ireo izy. Manaraka izany, hiantso mpihaza ankamaroany Aho, ka hihaza azy hiala any an-tendrombohitra rehetra ary eny an-tsefatsefaky ny harambato eny.
Raha mpioty voaloboka no tonga aminao, tsy mamela hotsimponina izy, na dia kely aza; raha mpangalatra tonga alina kosa, mandroba izy, mandra-pahafa-pony.
izay sisa tavela rehetra amin’ity taranaka ratsy ity, any amin’ny tany handroahako azy any, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -
Dia nivoaka avy eo amin’ny ôtely ity Anjely manam-pahefana amin’ny afo; niantso tamin’ny feo mahery, ka nilaza tamin’ilay nitana antsy fijinjana maranitra hoe: Alefaso ny antsy fijinjànao, ka toazy ny sampahom-boaloboka eny amin’ny tanimboaloboky ny tany, fa efa masaka ny voany.