Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 6:5 - Baiboly Katolika

Mitsangàna andeha hanaovantsika latsaka alina, dia horavantsika ny lapany!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mitsangàna ka andeha isika hanao latsaka alina ary aoka horavantsika ny lapany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mitsangàna isika mba haka azy an-keriny amin’ny alina; aoka horavantsika ireo lapany tsara tarehy!»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mitsangàna isika mba haka azy an-keriny amin’ny alina; aoka horavantsika ireo lapany tsara tarehy!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mitsangàna, ka andeha isika hanao latsak’alina, Ary aoka horavantsika ny trano-beny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mitsangàna, ka andeha isika hanao latsak'alina, ary aoka horavantsika ny trano-beny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mitsangàna ka andeha isika hanao latsaka alina ary aoka horavantsika ny lapany.

Jereo ny toko



Jeremia 6:5
12 Rohy Ifampitohizana  

Nodorany ny tranon’Andriamanitra, noravany ny mandan’i Jerosalema, notselarany ny afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka sarobidy rehetra.


Mitsangana mahafinaritra, fifalian’ny tany rehetra, ny tendrombohitra Siôna, eo amin’ny fara vazantany avaratra, ny tanànan’ny Mpanjaka lehibe.


Fa ny lapa, nilaozana, ny tanàna maresaka, zary tany foana; Ofely sy ny Tilikambo fiambenana, zary fierem-biby ho mandrakizay, fikarenjen’ampondra dia, ary fiandrasana biby fiompy.


Fa raha tsy mihaino Ahy ianareo, tsy mankamasina ny andro sabata, mitondra entana na iray ihany aza, raha miditra ny vavahadin’i Jerosalema amin’ny andro sabata, dia handrehitra afo eo am-bavahadin’ny tanàna Aho, handevona ireo lapa ao Jerosalema, ary tsy ho faty io afo io.»


ka nandoro ny tranon’i Iaveh, mbamin’ny tranon’ny mpanjaka sy ny trano rehetra tao Jerosalema; nodorany tamin’ny afo avokoa ny trano lehibe rehetra.


dia nobangaina ny tanàna, ka vaky nandositra avokoa ny lehilahy mpiady; alina no nivoahany tao an-tanàna, tamin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa, akaikin’ny sahan’ny mpanjaka; raha ilay voahodidin’ny Kaldeanina iny ny tanàna, dia nihazo ny lalan’ny tany lemaka izy.


Ataovy hoe: Izao... - teny marin’i Iaveh: - Hifitsaka hoatra ny zezika eny an-tsaha, ny fatin’ny olona, sy hoatra ny andalam-bary eo aorian’ny mpijinja, ka tsy misy mpanangona.»


Nanadino ny mpanao azy i Israely, ka nanorina lapa; nanamaro ny tanàna mimanda i Jodà. Fa handefa afo ao an-tanànany Aho, ka handevona ireo rovany izany.


dia handefa ny afo ho ao amin’i Jodà Aho ka handevona ny lapan’i Jerosalema izany.»


Fahitan’i Abdiasa. Izao no nolazain’ny Tompo Iaveh tamin’i Edôma: - Nandray filazana avy amin’i Iaveh izahay ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena: Mitsangàna! Aoka hitsangan-kamely azy, izahay. -


Vohay ny vavahadinareo, ry Libàna, ary koa ho levon’ny afo ny sederanao!