Jeremia 51:21 - Baiboly Katolika ianao no anorotoroako ny soavaly ama-mpitaingina azy; ianao no anorotoroako ny kalesy ama-mpitaingina azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ianao no nentiko nanorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy; ianao no nentiko nanorotoro ny kalesy fitondra miady sy ny mpitaingina azy; DIEM PROTESTANTA Ianao no nampiasaiko hanorotoroana ny soavaly sy ny mpitaingina azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ianao no nampiasaiko hanorotoroana ny soavaly sy ny mpitaingina azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hianao no ho entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, Ary hianao no ho entiko manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy; Malagasy Bible Ary ianao no ho entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy; La Bible en Malgache ianao no nentiko nanorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy; ianao no nentiko nanorotoro ny kalesy fitondra miady sy ny mpitaingina azy; |
Voababo ireo malaza be herim-po; renoky ny torimasony izy ireo, tsy nahay nampiasa ny tanany ireo olo-mahery.
Tamin’izany i Môizy sy ny zanak’i Israely nanao izao hira izao tamin’i Iaveh. Hoy izy: «Hihira ho an’i Iaveh aho, fa efa naneho ny voninahiny izy; Nariany any an-dranomasina ny soavaly ama-mpitaingina azy.
Ka izao no navalin’i Maria ny zanak’i Israely: «Mihirà ho an’i Iaveh fa efa naneho ny voninahiny Izy. Navariny any an-dranomasina ny soavaly ama-mpitaingina azy.»
Ny kalesy aman-tafik’i Faraôna navariny an-dranomasina; Ny kapiteny voafantina natelin’ny Ranomasina Mena;
izay namoaka kalesy aman-tsoavaly, sy tafika ama-mpiady mahery, hiantafika, - indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra; voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. -
Sabatra hamely ny soavaly aman-kalesiny, mbamin’ireo fakofakon’olona rehetra izay eo afovoany, ka aoka ho toy ny vehivavy ireny! Sabatra hamely ny rakiny, ka aoka horobaina ireny!
Amin’ny latabatro ianareo hivoky soavaly ama-mpitaingina azy, lehilahy mahery ama-mpiady isan-karazany; - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Ilay liona nifaoka izay nilain’ny zanany, nanakenda ho an’ny liombaviny, nameno haza ny lavany, sy toha, ny zohiny.
haongako ny seza fiandrianan’ny fanjakana, hofoanako ny herin’ny fanjakan’ny firenena; hazerako ny kalesy fiadiana mbamin’ny mpitaingina azy; ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy samy ho lavon’ny sabatry ny namany avy.
Izy ireo ho toy ny mpiady mahery, manitsaka ny fotaka eny an-dalambe amin’ny ady; hiady izy ireo, satria omban’i Iaveh, ka hahasafo-kenatra an’ireo mitaingin-tsoavaly.
Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - hataoko azon’ny fahatahorana mafy ny soavaly rehetra, ary azon’ny fahaverezan-kevitra ny mpitaingina azy; ny taranak’i Jodà, hisokafan’ny masoko; fa ny soavalin’ny firenena kosa, hasiako fanjambana avokoa.
mba hihinana ny nofon’ny mpanjaka, ny nofon’ny tomponarivo, ny nofon’ny olo-mahery, ny nofon’ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy, sy ny nofon’ny olona rehetra, na mpanompo na olona tsotra, na kely na lehibe.»