Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 50:8 - Baiboly Katolika

Mandosira, mialà ao afovoan’i Babilôna ianareo, ary mitsoaha miala ao amin’ny tanin’ny Kaldeanina; aoka ho toy ny osy lahy, lohalalan’ny andiam-biby fiompy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mandosira hiala an’i Babilona, eny, mialà amin’ny tanin’ny Kaldeana, ary aoka ho tahaka ny osy mitari-dalana ny andian’ondry ianareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hoy ny Tompo: «Mandosira lavitra an’i Babilôna, ilaozy i Babilônia ka manaova hitsin-dalana toy ny osilahy mialoha ny ondry aman’osy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hoy ny Tompo: «Mandosira lavitra an’i Babilôna, ilaozy i Babilônia ka manaova hitsin-dalana toy ny osilahy mialoha ny ondry aman’osy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mandosira hiala an’i Babylona, Eny, mialà amin’ny tanin’ny Kaldeana, Ary aoka hianareo ho tahaka ny anankiray izay tari-dàlan’ny ondry aman-osy andiany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mandosira hila an'i Babylona, eny, mialà amin'ny tanin'ny Kaldeana, ary aoka ianareo ho tahaka ny anankiray izay tari-dalan'ny ondry aman'osy andiany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mandosira hiala an’i Babilona, eny, mialà amin’ny tanin’ny Kaldeana, ary aoka ho tahaka ny osy mitari-dalana ny andian’ondry ianareo.

Jereo ny toko



Jeremia 50:8
11 Rohy Ifampitohizana  

ny biby kinga valahana, mbamin’ny osilahy, ary ny mpanjaka, tsy azon’olona tohaina.


«Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira ny Kaldeanina, amin’ny hobin-kafaliana! Torio izany, ataovy antso avo koa, ampandreneso hatrany am-paran’ny tany! Lazao hoe: I Iaveh efa nanavotra an’i Jakôba mpanompony!


Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Siôna! Tafio ny fitafiana fitondranao amin’ny fety, ry Jerosalema tanàna masina ô! Fa ny tsy mifora sy ny maloto tsy hiditra eo aminao intsony.


«Mialà, mialà, mivoaha teo ianareo; aza mikasika izay maloto. Mivoaha avy ao aminy, mandiova tena ianareo, izay mitondra ny fanak’i Iaveh.


Mivoaha hiala ao aminy, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo, eo anatrehan’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh.


Mandosira lavitra an’i Babilôna ianareo, ary samia mamonjy ny ainy! Aoka tsy ho faty noho ny fahotany ianareo fa andro famalian’i Iaveh izao; ka hamaly azy araka izay mendrika azy izy.


Avia, ry Siôna, vonjeo ny tenanao, ianao izay monina ao amin’ny zanaka vavin’i Babilôna!


Ary niteny tamin’ny fiangonana Izy, nanao hoe: «Manalavira ianareo ny lain’ireto olon-dratsy ireto, ary aza mikasika izay azy, na inona na inona, fandrao dia ringana koa ianareo, azon’ny fahotany rehetra.»


Noho izany, hoy ny Tompo, mialà aminy ianareo, ka misaraha; fa aza mikasika ny maloto;


Dia nandre feo iray hafa koa avy any an-danitra aho, nanao hoe: Mihataha aminy ianareo, ry vahoakako, mba tsy hiray heloka aminy, sy tsy hiombon-doza aminy,