Amin’izany ny olona tahaka ny gazela enjehina, tahaka ny biby fiompy tsy misy mpamory, dia samy hitodika ny fireneny avy, sy handositra ho any amin’ny taniny.
Jeremia 50:16 - Baiboly Katolika Aringano ao Babela izay mamafy, sy izay mitana antsy fijinjana amin’ny andro fararano. Eo anatrehan’ny sabatra mpandringana samia mihodina ho any amin’ny fireneny avy; samia mandositra ho any amin’ny taniny avy! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aringano tsy ho any Babilona ny mpamafy sy izay mitana antsy fijinjana amin’ny fararano; fa noho ny sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin’ny fireneny avy izy, ary samy handositra ho any amin’ny taniny avy. DIEM PROTESTANTA Foany ao Babilôna ireo mpamafiny sy ireo mpijinjany amin’ny fararano; manoloana ny ady mahatsiravina, dia aoka samy hody any amin’ny fireneny avy izy ary samy handositra any amin’ny taniny avy! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Foany ao Babilôna ireo mpamafiny sy ireo mpijinjany amin’ny fararano; manoloana ny ady mahatsiravina, dia aoka samy hody any amin’ny fireneny avy izy ary samy handositra any amin’ny taniny avy! Baiboly Protestanta Malagasy Aringano tsy ho any Babylona ny mpamafy Sy izay mitana fijinjana amin’ny fararano; Fa noho ny sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin’ny fireneny avy izy, Ary samy handositra ho any amin’ny taniny avy. Malagasy Bible Aringano tsy ho any Babylona ny mpamafy sy izay mitana fijinjana amin'ny fararano; Fa noho ny sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin'ny fireneny avy izy, ary samy handositra ho any amin'ny taniny avy. La Bible en Malgache Aringano tsy ho any Babilona ny mpamafy sy izay mitana antsy fijinjana amin’ny fararano; fa noho ny sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin’ny fireneny avy izy, ary samy handositra ho any amin’ny taniny avy. |
Amin’izany ny olona tahaka ny gazela enjehina, tahaka ny biby fiompy tsy misy mpamory, dia samy hitodika ny fireneny avy, sy handositra ho any amin’ny taniny.
Mandao ny fiereny toy ny liona mandao ny lobolobony izy; ny tanin’izy ireo efa hovana ho efitra, eo anoloan’ny hatezeran’ny mpandrava, eo anoloan’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh.»
Hamaroiny ny isan’izay tafintohina, ka lavo mifanindry ireny, sady manao hoe: «Mitsangàna isika, miverena any amin’ny firenentsika, sy any amin’ny tany nahaterahantsika, lavitra ny sabatra mahafaty olona.»
Ianao no anorotoroako ny mpiandry ondry sy ny andian’ondriny; ianao no anorotoroako ny mpiasa tany sy ny omby entiny miasa; ianao no anorotoroako ny governora ama-mpanjaka.
Efa nitady hanasitrana an’i Babela isika, nefa tsy sitrana izy; ka avelao izy, fa andao isika ho any amin’ny tanintsika avy. Satria mahatakatra ny lanitra ny fitsarana azy, sy tafapaka hatrany amin’ny rahona.
Mangaihaiza, ry mpiasa tany, midradradradrà ry mpamboly voaloboka, noho ny amin’ny vary sy ny orja; satria majifa ny vary hojinjaina any an-tsaha.
Koa izao no lazain’i Iaveh, ny Andriamanitry ny tafika, ny Tompo: Hisy hidradradradra eny amin’ny kianja rehetra eny: hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! eny an-dalambe rehetra eny; hisy hiantso ny mpiasa hisaona, sy higogogogo, miaraka amin’izay mahay midridridridry.