Raha tahiny ianao manao anakampo hoe: Nahoana aho no dia nidiran-doza toy izao?... Dia ny haben’ny helokao, no antony nanaingana ny morontongotr’akanjonao, sy nandratràna ny ombalahin-tongotrao.
Jeremia 5:19 - Baiboly Katolika Ary raha tahiny ianareo manao hoe: Nahoana i Iaveh Andriamanitsika, no dia manao toy izao aminay? Izao no lazainao aminy: Toy ny nahafoizanareo ahy, hanompoanareo andriamani-kafa eo amin’ny taninareo, no hanompoanareo olon-kafa, eo amin’ny tany tsy anareo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha hoy ianareo: Nahoana NY TOMPO Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamanitra hafa teo amin’ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ny tany izay tsy anareo. DIEM PROTESTANTA Koa raha misy manontany hoe: «Nahoana no namely anay tamin’izao loza rehetra izao ny TOMPO Andriamanitray?», dia izao no havalinao, ry Jeremià: «Toy ny nandaozanareo ny TOMPO ka nanompoanareo ny andriamani-kafa tao amin’ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ny tany izay tsy anareo!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa raha misy manontany hoe: «Nahoana no namely anay tamin’izao loza rehetra izao ny TOMPO Andriamanitray?», dia izao no havalinao, ry Jeremià: «Toy ny nandaozanareo ny TOMPO ka nanompoanareo ny andriamani-kafa tao amin’ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ny tany izay tsy anareo!» Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha hoy izy: Nahoana Jehovah Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamani-kafa teo amin’ny taninareo No hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ny tany izay tsy anareo. Malagasy Bible Ary raha hoy izy: Nahoana Jehovah Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamani-kafa teo amin'ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin'ny tany izay tsy anareo. La Bible en Malgache Ary raha hoy ianareo: Nahoana NY TOMPO Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamanitra hafa teo amin’ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ny tany izay tsy anareo. |
Raha tahiny ianao manao anakampo hoe: Nahoana aho no dia nidiran-doza toy izao?... Dia ny haben’ny helokao, no antony nanaingana ny morontongotr’akanjonao, sy nandratràna ny ombalahin-tongotrao.
Ka hariako any ivelan’ity tany ity ianareo; ho any amin’ny tany tsy fantatrareo, na ianareo na ny razanareo; ary ianareo hanompo ny andriamani-kafa andro aman’alina; fa tsy hamindra fo aminareo Aho.
Havelanao ho faty foana sady vokatry ny hadisoanao izany, ny lovako nomeko anao; hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrareo ny afon’ny fahatezerako, ka mirehitra ho amin’ny mandrakizay.
Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako: Nafoiny Aho, Izaho loharanon’ny rano velona, ary lavaka no nohadiny ho azy, lavaka mitriatriatra, tsy mahatan-drano
Dia hoy ianao: ‹Tsy manan-tsiny aho; efa afaka tokoa ny fahatezerany tamiko.› Indro hifandahatra aminao Aho, amin’ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho!
«Nefa na dia amin’izany andro izany aza, - teny marin’i Iaveh, - tsy dia hofongorako avokoa ianareo.
Dia hoy i Iaveh: «Satria izy ireo nahafoy ny lalàko, izay nataoko teo anoloany; tsy nihaino ny feoko, sy tsy nanaraka izany.
Fa nizotra izy ireo araka ny ditran’ny fony, sy nanaraka an’i Baala, izay natoron’ny razany azy.»