Jeremia 5:10 - Baiboly Katolika Aniho ny mandany ka ravao, fa aza levonina avokoa; esory ny sakeliny, fa tsy an’i Iaveh ireny! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Miakara ao amin’ny tanim-boalobony ianareo ka poteho, nefa aza dia levonina avokoa izy; esory ny rantsany satria tsy an’NY TOMPO ireny. DIEM PROTESTANTA Iakaro ka simbasimbao ny tanimboalobony manao ambaratonga; nefa aza potehina tanteraka! Esory ny rantsam-boaloboka satria tsy an’ny Tompo ireny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Iakaro ka simbasimbao ny tanimboalobony manao ambaratonga; nefa aza potehina tanteraka! Esory ny rantsam-boaloboka satria tsy an’ny Tompo ireny. Baiboly Protestanta Malagasy Miakara eo amin’ny màndany hianareo, ka mameleza, Nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny sakeliny, Satria tsy an’i Jehovah izy. Malagasy Bible Miakara eo amin'ny mandany ianareo, ka mameleza, nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny sakeliny, satria tsy an'i Jehovah izy. La Bible en Malgache Miakara ao amin’ny tanim-boalobony ianareo ka poteho, nefa aza dia levonina avokoa izy; esory ny rantsany satria tsy an’NY TOMPO ireny. |
Tamin’izay dia nentin’i Iaveh hiakatra hamely azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina, ary novonoin’io tamin’ny sabatra tao an-tranon’ny fitoerany masina, ny zatovony, tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy, na ny tovovavy, na ny antitra na ny fotsy volo, fa natolony ho eo an-tanany avokoa.
Izaho anefa namboly anao, ho karazam-boaloboka tsara indrindra, avy amin’ny fototra tena tsara avokoa. Ka ahoana no dia niovanao amiko, ho sampana ratsy avy amin’ny voaloboka hafa karazana?
dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.
Fa momba anao Aho, - teny marin’i Iaveh, - hamonjy anao; hataoko ringana ny firenena rehetra nampielezako anao. Fa ianao kosa, tsy mba haringako; hofaiziko ara-drariny ihany ianao, fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.
Raha efa izany, dia nodoran’ny Kaldeanina ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny tranon’ny vahoaka, ary noravany ny mandan’i Jerosalema. Ny vahoaka sisa izay tafajanona tao an-tanàna, mbamin’ireo mpilefa nitolo-tena nanaiky azy;
Fa izao no lazain’i Iaveh: Ho lao ny tany rehetra, kanefa tsy mba hofongorako avokoa izy.
Aza matahotra ianao, ry Jakôba, mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, - fa momba anao Aho! Haringako avokoa ny firenena rehetra nandroahako anao. Fa ianao kosa tsy mba haringako. Hofaizako ara-drariny anefa ianao, fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.
Satria efa nivadika tamiko, ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà, - teny marin’i Iaveh. -
«Nefa na dia amin’izany andro izany aza, - teny marin’i Iaveh, - tsy dia hofongorako avokoa ianareo.
Koa tsy hosaziko va izy amin’izany heloka izany! - teny marin’i Iaveh, - ary izay firenena toy izany va tsy hovaliako?
Hisy olona vitsivitsy amin’izy ireo anefa, havelako ho afaka amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta, mba hitantara ny fahavetavetana nataony, any amin’ny firenena halehany any, dia ho fantany fa Iaveh Aho.
Na raha mandefa sabatra hamely izany tany izany Aho, ary manao hoe: «Aoka hijinja ny tany ny sabatra...» sady mandringana ny olona sy ny biby;
Dia hoy i Iaveh tamin’i Osea: «Ataovy hoe Lô-Amì ny anarany, fa ianareo tsy vahoakako, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.»
Indro, ny mason’ny Tompo Iaveh mifàntoka amin’ny fanjakana mpanota; ka hofongorana tsy ho eo ambonin’ny tany izy. Nefa tsy dia hofongorako manontolo tsy akory ny taranak’i Jakôba, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany, ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany, sy nandoro ny tanànany.