fa indro Aho hanisy fanahy ao anatiny, izay handrenesany vaovao fotsiny, dia hiverenany any amin’ny taniny, ka hataoko lavon-tsabatra any amin’ny taniny izy.»
Jeremia 49:5 - Baiboly Katolika Indro Aho mitondra ny tahotra hamely anao; - tenin’ny Tompo, Iavehn’ny tafika,- avy amin’izay rehetra manodidina anao; ka samy horoahina hizotra amin’izay hitsiny avy ianareo, sady tsy hisy hamory izay mandositra akory. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin’izay rehetra manodidina anao, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; ary horoahina samy hizotra amin’izay hitsiny avy ianareo rehetra sady tsy hisy hamory izay mandositra. DIEM PROTESTANTA Ka hoy ny teny hentitry ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao: «Indro Aho hahatonga fampihorohoroana aminao avy amin’ny olona rehetra manodidina anao. Horoahina hizotra eo anoloanareo avy ianareo ka tsy hisy hamory izay mandositra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka hoy ny teny hentitry ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao: «Indro Aho hahatonga fampihorohoroana aminao avy amin’ny olona rehetra manodidina anao. Horoahina hizotra eo anoloanareo avy ianareo ka tsy hisy hamory izay mandositra. Baiboly Protestanta Malagasy Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin’izay rehetra manodidina anao, Hoy Jehovah, Tompon’ny maro; Ary horoahina samy hizotra amin’izay hitsiny avy hianareo rehetra, Sady tsy hisy hamory izay mandositra. Malagasy Bible Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin'izay rehetra manodidina anao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary horoahina samy hizotra amin'izay hitsiny avy ianareo rehetra, sady tsy hisy hamory izay mandositra. La Bible en Malgache Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin’izay rehetra manodidina anao, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; ary horoahina samy hizotra amin’izay hitsiny avy ianareo rehetra sady tsy hisy hamory izay mandositra. |
fa indro Aho hanisy fanahy ao anatiny, izay handrenesany vaovao fotsiny, dia hiverenany any amin’ny taniny, ka hataoko lavon-tsabatra any amin’ny taniny izy.»
Feo mahatsiravina no migingìna ao an-tsofiny, raha eo afovoan’ny fiadanana izy no irotsahan’ny mpandrava.
Aoka ianao hanoro hevitra anay, hanelanelana anay; hanome aloka anay, toy ny amin’ny alina, amin’ny mitatao vovonana; hanafina ny enjehina, tsy hanondro ny mandositra!
Ho maro ny mpitondratenany, mihoatra noho ny fasika eny an-dranomasina. Hitondra mpandringana ho ao aminy Aho, ao amin’ny renin’ny mpiady tanora amin’ny mitataovovonana. Hataoko mirotsaka aminy tampoka ny ahiahy mafy sy ny vadi-po.
Indro aho miantso mpanarato an-kamaroany, - teny marin’i Iaveh, - ka hanarato azy ireo izy. Manaraka izany, hiantso mpihaza ankamaroany Aho, ka hihaza azy hiala any an-tendrombohitra rehetra ary eny an-tsefatsefaky ny harambato eny.
Satria izao no lazain’i Iaveh: «Indro atolotro ho amin’ny fangorohoroana, ianao sy ny sakaizanao. Izy ireo ho lavon’ny sabatry ny fahavalony, ary ianao hahita maso an’izany. I Jodà rehetra koa hatolotro ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hoentiny babo any Babilôna izy ireo, ary hovonoiny amin’ny sabatra.
Fa inona re ity hitako e? Raiki-tahotra izy ireo ka miamboho lahy! Resy ny mpiadiny! Mandositra tsy miherika akory izy ireo! Fa misy fampangorohoroana hatraiza hatraiza, - teny marin’i Iaveh. -
Aoka halaina ny lainy sy ny biby fiompiny! hoesorina aminy ny ambain-dainy, mbamin’ny entany rehetra sy ny ramevany! ary aoka hisy hiantsoantso aminy hoe: «Misy fangorohoroana hatraiza hatraiza!»
Aza mivoaka ho any an-tsaha, na mandeha eny an-dalambe, fa mitan-tsabatra ny fahavalo, misy fangorohoroana manodidina.
«Mitanilà! Maloto e!» hoy ny antsoantson’ny olona, «Mitanilà ianareo! Mitanilà ianareo! Aza mikasika azy.» Nirenireny atsỳ sy arỳ, ka hoy ny olona any amin’ny firenena: Aoka tsy hitoetra atỳ ireny!
Hivoaka eo amin’ny banga samy amin’izay hitsiny avy ianareo, dia horoahina ho any Armôna, - teny marin’i Iaveh. -
«Fantatro fa efa nomen’i Iaveh anareo ity tany ity, satria izahay efa raiki-tahotra ny anaranareo; ny mponina rehetra amin’ity tany ity efa ketraka eo anoloanareo.