Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 49:17 - Baiboly Katolika

Ho zary fitalanjonana i Edôma: Ho talanjona avokoa ny mpandalo, sady hisitrìsitra, mahita ny feriny rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ho figagana i Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Ho toerana mahonena i Edôma, ka hampahonena sy hampivarahontsana izay rehetra mandalo azy ny fahavoazany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Ho toerana mahonena i Edôma, ka hampahonena sy hampivarahontsana izay rehetra mandalo azy ny fahavoazany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ho figagana Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra Noho ny loza rehetra efa namelezana azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ho figagana Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ho figagana i Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.

Jereo ny toko



Jeremia 49:17
16 Rohy Ifampitohizana  

ho avo toerana ihany ity trano ity, nefa hitalanjonana sy hisitrisîran’ny mpandalo rehetra. Dia hiteny ny olona hanao hoe: Fa naninona no dia nataon’i Iaveh toy izao ity tany ity sy io trano io?


Mba hahatonga ny taniny ho lao, sy ho zavatra fandatsa mandrakizay; dia hitanàka izay rehetra handalo ao, ary hikifi-doha.


Satria, izao no efa nianianako tamin’ny Tenako, - teny marin’i Iaveh: - I Bôsrà dia ho fitalanjonana sy fandatsa, ho tany efitra sady voaozona; ary ny tanànany rehetra ho rava mandrakizay.


Noho ny hatezeran’i Israely, tsy honenana intsony izy, fa ho tonga tany lao; izay rehetra handalo eo akaikin’i Babela ho talanjona sy hisitrìsitra avokoa mahita ny feriny.


Ary i Babela dia ho korontam-bato, ho fieren’amboadia, ho fampitahorana sy fanesoana, tsy hisy mponina.


noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Haninji-tanana amin’i Edôma Aho; ka haringako ny olona sy ny biby eo aminy; hataoko zary efitra, hatrany Temàna izy; ary ho lavon-tsabatra hatrany Dedana.


Ny mpandranto avy amin’ny firenen-kafa misitrîsitra aminao. Zary zava-mahatsiravina ianao; ka tsy misy intsony ianao mandrakizay!


Toy ny nifalianao, ny amin’ny lovan’ny taranak’i Israely tamin’ny faharavàny, toy izany no hataoko aminao: ho rava ianao, ry tendrombohitra Seira, mbamin’i Idomea manontolo; dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho, ry tendrombohitra Seira, ho avy ao aminao, haninjitra ny tanako hamely anao, ary hampanjary anao ho lao sy efitra.


Ny tendrombohitra Seira hataoko lao sy zary efitra, ary ny mandroso sy miverina eo, hataoko, tsy misy intsony.


Mitandrina ny fitsipik’i Amrì ny olona, mbamin’ny fanaon’ny taranak’i Akaba rehetra, ary mandeha araka ny toroheviny ianareo, mba hanolorako anareo amin’ny fandringanana, ary ny mponina amin’ny tany, ho amin’ny fisitrisìrana, ka hivesaranareo ny latsan’ny vahoakako.


Io no ilay tanàna niravoravo, nipetraka amin-toky nanao anakampo hoe: Izaho, ary tsy misy afa-tsy izaho! Ahoana no nanjariany ho efitra, sy fonenan’ny biby! Na iza na iza handia azy, dia hisitrìsitra sy hanifikifi-tanana.


dia ny solifara sy ny sira, fanakilana an’izany tany rehetra izany, izay tsy hofafazana, tsy hanome vokatra avy aminy, tsy haniriana ahitra akory, toy ny tamin’ny fikorontanan’i Sôdôma sy i Gômôra, i Adamà sy i Sebôima, izay nakorontan’i Iaveh tamin’ny fahatezerany amam-pahavinirany,