Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 48:9 - Baiboly Katolika

Omeo elatra i Moaba, fa tokony hidina izy; horavàna ny tanànany, ka tsy hisy mponina intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Omeo elatra i Moaba fa hanidina izy ka ho lasa; ary ho lao ny tanànany ka tsy hisy mponina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Anangano fasana i Môaba, satria ho rava tokoa izy. Ho lao ireo tanànany, ka tsy hisy mponina intsony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Anangano fasana i Môaba, satria ho rava tokoa izy. Ho lao ireo tanànany, ka tsy hisy mponina intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Omeo elatra Moaba, Fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànany, Ka tsy hisy mponina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Omeo elatra Moaba, fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànanay, ka tsy hisy mponina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Omeo elatra i Moaba fa hanidina izy ka ho lasa; ary ho lao ny tanànany ka tsy hisy mponina.

Jereo ny toko



Jeremia 48:9
8 Rohy Ifampitohizana  

Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. I Iaveh no itokiako; ka ahoana no ilazanareo amin’ny fanahiko hoe: Mandosira any an-tendrombohitrareo toy ny vorona?


Ny hovitra amam-badi-po mamely ahy; ny horohoro koa manarona ahy.


Tahaka ny vorona mandositra tahaka ny vorona iray akàny aely, ny zanaka vavin’i Moaba, eo amin’ny fitàna an’i Arnôna.


Tsy nahalefitra mihoatra noho izay intsony i Iaveh, noho ny haratsian’ny nataonareo, sy noho ny fahavetavetana notanterahinareo, ka dia zary efitra lao, voaozona, ary tsy misy mponina ny taninareo, araka izao hita anio izao.


Fehezo ny entanao, entan-tambotra, ry mponina zanaka vavin’i Ejipta, fa indro i Nôfa ho zary tany efitra; hodorana izy, ka tsy hisy mponina intsony.


Ilaozy ny tanàna, mitoera any amin’ny vatolampiny, ry mponina any Moaba, ka aoka ho tahaka ny domohina izay manao ny akaniny eny ambonin’ny hantsana mangotanatana.


Ka noho izany dia velona Aho, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: - i Moaba hanahaka an’i Sôdôma; ary ny taranak’i Amôna ho tahaka an’i Gômôra: fitoerana nafoy ho an’ny amiana sy tany ihadian-tsira, ho efitra mandrakizay. Izay sisa amin’ny vahoakako hamabo azy, ary izay tavela amin’ny fireneko no hahazo azy ho lovany.


Nomena ela-boromahery lehibe roa anefa Ravehivavy, mba hanidinany ho any an’efitra amin’ny fitoerany, izay namelomana azy fotoana iray, sy fotoana roa, ary antsasaky ny fotoana, mba tsy hahitan’ilay menarana azy.