Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.
Jeremia 48:42 - Baiboly Katolika Voaongana i Moaba amin’ny maha-firenena azy, satria nitsangan-kanohitra an’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa horavana tsy ho firenena intsony i Moaba satria niavonavona tamin’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Ringana i Môaba ka tsy ho firenena intsony satria nihevi-tena ho lehibe noho ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ringana i Môaba ka tsy ho firenena intsony satria nihevi-tena ho lehibe noho ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Ary horavana tsy ho firenena intsony Moaba, Satria niavonavona tamin’i Jehovah izy. Malagasy Bible Ary horavana tsy ho firenena intsony Moaba. Satria niavonavona tamin'i Jehovah izy. La Bible en Malgache Fa horavana tsy ho firenena intsony i Moaba satria niavonavona tamin’NY TOMPO. |
Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.
Ary ankehitriny kosa miteny i Iaveh, ka manao hoe: «Ao anatin’ny telo taona, araka ny fanisana ny taona iasan’ny mpikarama, dia ho lefy ny voninahitr’i Moaba mbamin’ny vahoaka be ao aminy, fa zavatra kely foana no ho sisa, sady ho vitsy sy osa.»
Iza no notsiratsirainao sy nompanao? Hamely an’izay no nanandratanao feo, sy niandranandrànanao maso? -
Satria fa i Damasa no lohan’i Siria, ary i Rasìna no lohan’i Damasy; ka 65 taona sisa, dia hitsahatra tsy ho vahoaka intsony i Efraima.
Fa momba anao Aho, - teny marin’i Iaveh, - hamonjy anao; hataoko ringana ny firenena rehetra nampielezako anao. Fa ianao kosa, tsy mba haringako; hofaiziko ara-drariny ihany ianao, fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.
tsy misy intsony izay voninahitr’i Moaba! Any Hesebona no hidinihana ny loza hamelezana azy: Andeha hofongorantsika eo amin’ny firenena izy! Ianao koa, ry Madmena, hatao gina; mandeha manaraka eo aoriana ny sabatra.
Nihaika Ahy ianareo tamin’ny lahateninareo; sady nanamaro ny teninareo, namely Ahy. Izaho kosa efa nandre izany!
fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.
izay mitsangan-ko fahavalo sy manandra-tena ho ambonin’izay rehetra atao hoe Andriamanitra na ivavahana, ary sahy mipetraka ao amin’ny Tempolin’Andriamanitra sy maneho ny tenany ho Andriamanitra aza.
Dia nanokatra ny vavany izy, ka nanevateva an’Andriamanitra sy nanevateva ny Anarany mbamin’ny tranolainy, sy ireo monina any an-danitra.