Ny mpikarama eo aminy kosa, hoatra ny zanak’omby voafahy. Indreny miamboho koa izy ireo dia miara-mandositra, fa tsy manohitra izy, fa nihatra taminy ny androm-pahoriana, dia ny fotoana hamaliana azy.
Jeremia 46:16 - Baiboly Katolika Hamaroiny ny isan’izay tafintohina, ka lavo mifanindry ireny, sady manao hoe: «Mitsangàna isika, miverena any amin’ny firenentsika, sy any amin’ny tany nahaterahantsika, lavitra ny sabatra mahafaty olona.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Efa nahatafintohina ny maro Izy ka lavo mifanindry ireo; dia hoy ireo: Mitsangàna ka andeha isika hiverina ho any amin’ny firenentsika sy ho any amin’ny tany nahaterahantsika ho afaka amin’ny sabatra mandoza. DIEM PROTESTANTA Izay mampivembena miaramila maro sy mampianjera azy hifanindry. Dia nifampiresaka ireo hoe: «Andeha isika hiverina any amin’ny firenentsika, dia any amin’ny tany nahaterahantsika, mba ho afaka amin’ny ady mandoza.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izay mampivembena miaramila maro sy mampianjera azy hifanindry. Dia nifampiresaka ireo hoe: «Andeha isika hiverina any amin’ny firenentsika, dia any amin’ny tany nahaterahantsika, mba ho afaka amin’ny ady mandoza.» Baiboly Protestanta Malagasy Efa nahatafintohina ny maro Izy, Ka lavo mifanindry ireo; Dia hoy ireo: Mitsangàna, ka andeha isika hiverina ho any amin’ny firenentsika Sy ho any amin’ny tany nahaterahantsika Ho afaka amin’ny sabatra mandoza, Malagasy Bible Efa nahatafintohina ny maro Izy, ka lavo mifanindry ireo; Dia hoy ireo: Mitsangàna, ka andeha isika hiverina ho any amin'ny firenentsika sy ho any amin'ny tany nahaterahantsika ho afaka amin'ny sabatra mandoza, La Bible en Malgache Efa nahatafintohina ny maro Izy ka lavo mifanindry ireo; dia hoy ireo: Mitsangàna ka andeha isika hiverina ho any amin’ny firenentsika sy ho any amin’ny tany nahaterahantsika ho afaka amin’ny sabatra mandoza. |
Ny mpikarama eo aminy kosa, hoatra ny zanak’omby voafahy. Indreny miamboho koa izy ireo dia miara-mandositra, fa tsy manohitra izy, fa nihatra taminy ny androm-pahoriana, dia ny fotoana hamaliana azy.
Ny faingan-tongotra, aza afa-mandositra! ny lehilahy mahery fo, aza afa-mitsoaka! Any amin’ny tany avaratra, amoron’ny ony Eofrata, indro izy mivembena dia lavo.
Aringano ao Babela izay mamafy, sy izay mitana antsy fijinjana amin’ny andro fararano. Eo anatrehan’ny sabatra mpandringana samia mihodina ho any amin’ny fireneny avy; samia mandositra ho any amin’ny taniny avy!
Efa nitady hanasitrana an’i Babela isika, nefa tsy sitrana izy; ka avelao izy, fa andao isika ho any amin’ny tanintsika avy. Satria mahatakatra ny lanitra ny fitsarana azy, sy tafapaka hatrany amin’ny rahona.