Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 45:1 - Baiboly Katolika

Ny teny nolazain’i Jeremia mpaminany tamin’i Baròka zanak’i Nerià, fony izy nanoratra ireo teny ireo tamin’ny taratasy araka ny nanononan’i Jeremia azy, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, toy izao:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny teny izay nataon’i Jeremia mpaminany tamin’i Baroka, zanak’i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ny taratasy avy tamin’ny vavan’i Jeremia tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’i Joda:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fony i Baròka zanakalahin’i Nerià nanao an-tsoratra ny hafatra izay notononin’i Jeremià, dia taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda tamin’izay; ka hoy ny teny nataon’i Jeremià mpaminany tamin’i Baròka:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fony i Baròka zanakalahin’i Nerià nanao an-tsoratra ny hafatra izay notononin’i Jeremià, dia taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda tamin’izay; ka hoy ny teny nataon’i Jeremià mpaminany tamin’i Baròka:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

NY teny izay nataon’i Jeremia mpaminany tamin’i Baroka, zanak’i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ny taratasy avy tamin’ny vavan’i Jeremia tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’i Joda, hoe:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny teny izay nataon'i Jeremia mpaminany tamin'i Baroka, zanak'i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin'ny taratasy avy tamin'ny vavan'i Jeremia tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, hoe:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny teny izay nataon’i Jeremia mpaminany tamin’i Baroka, zanak’i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ny taratasy avy tamin’ny vavan’i Jeremia tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’i Joda:

Jereo ny toko



Jeremia 45:1
18 Rohy Ifampitohizana  

Fony fahavelony dia lasa niantafika i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, ka nanoa azy telo taona i Jôakima; fa niodina taminy indray izy.


Ary 25 taona i Jôakima fony vao nanjaka, ary 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamaniny izy.


Teny tonga tamin’i Jeremia, momba ny vahoaka rehetra any Jodà, tamin’ny taona faha-4 nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, taona voalohany nanjakan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna.


Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Jôakima zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, no nahatongavan’izao teny izao, avy amin’i Iaveh, ho amin’i Jeremia.


Dia natolotro an’i Baròka, zanak’i Nerià, zanak’i Maasiasa, ny fanekem-pividianana, teo anatrehan’i Hananeela, zana-drahalahin-draiko, sy teo anatrehan’ny vavolombelona nanao sonia ny fanekem-pihavanana sy teo anatrehan’ny Jody rehetra, nipetraka teo an-kianjan’ny fiambenana.


Nony voatolotro an’i Baròka zanak’i Nerià ny fanekem-pividianana, dia izao no vavaka nataoko tamin’i Iaveh:


Tamin’ny taona fahefatra, nanjakan’i Jôakima zanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, dia izao no teny avy any amin’i Iaveh, tonga tamin’i Jeremia:


Mangalà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao avokoa ny teny nolazaiko taminao, mamely an’i Israely sy i Jodà ary ny firenena rehetra, hatramin’ny andro nitenenako taminao, hatramin’ny andron’i Josiasa ka mandraka androany.


Raha efa izany dia nodidian’ny mpanjaka i Jeremiely zanak’andriana, sy i Zaraiasa zanak’i Ezriely, ary i Selemiasa zanak’Abdeely, hisambotra an’i Baròka mpanoratra, sy i Jeremia mpaminany, nefa nafenin’i Iaveh izy ireo.


Dia naka horonan-taratasy hafa indray i Jeremia, natolony an’i Baròka mpanoratra, zanak’i Nerià, ka nosoratan’i Baròka araka ny nanononan’i Jeremia azy ny teny rehetra tamin’ilay boky nodoran’i Jôakima mpanjakan’i Jodà tamin’ny afo; ary teny hafa maro tahaka ireny no niampy.


Dia niantso an’i Baròka zanak’i Nerià, i Jeremia, ka ny teny rehetra nolazain’i Iaveh tamin’i Jeremia, dia nosoratan’i Baròka tamin’ny horonan-taratasy araka ny nanononany azy.


Izao no lazain’i Iaveh mpanjakan’i Israely ny aminao, ry Baròka:


Ny amin’i Ejipta. Teny mamely ny tafik’i Nekô Faraôna mpanjakan’i Ejipta, teo amoron’ny ony Eofrata, tao Karkemisa, izay resin’i Nabokodonozora. mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà.


Didy nomen’i Jeremia mpaminany, an’i Saraiasa zanak’i Neriasa zanak’i Maasiasa fony izy nandeha nankany Babilôna, niaraka tamin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra nanjakany. Fa i Saraiasa no lehiben’ny tao an-dain’ny mpanjaka.