Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 45:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Fony i Baròka zanakalahin’i Nerià nanao an-tsoratra ny hafatra izay notononin’i Jeremià, dia taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda tamin’izay; ka hoy ny teny nataon’i Jeremià mpaminany tamin’i Baròka:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ny teny izay nataon’i Jeremia mpaminany tamin’i Baroka, zanak’i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ny taratasy avy tamin’ny vavan’i Jeremia tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’i Joda:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Fony i Baròka zanakalahin’i Nerià nanao an-tsoratra ny hafatra izay notononin’i Jeremià, dia taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda tamin’izay; ka hoy ny teny nataon’i Jeremià mpaminany tamin’i Baròka:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ny teny nolazain’i Jeremia mpaminany tamin’i Baròka zanak’i Nerià, fony izy nanoratra ireo teny ireo tamin’ny taratasy araka ny nanononan’i Jeremia azy, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, toy izao:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 NY teny izay nataon’i Jeremia mpaminany tamin’i Baroka, zanak’i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ny taratasy avy tamin’ny vavan’i Jeremia tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’i Joda, hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ny teny izay nataon'i Jeremia mpaminany tamin'i Baroka, zanak'i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin'ny taratasy avy tamin'ny vavan'i Jeremia tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ny teny izay nataon’i Jeremia mpaminany tamin’i Baroka, zanak’i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ny taratasy avy tamin’ny vavan’i Jeremia tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’i Joda:

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 45:1
18 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andro nanjakan’i Jôiakima no nidiran’i Nebôkadnetsara mpanjakan’i Babilôna ny tanin’i Joda, ka dia voatery nanoa azy telo taona i Jôiakima. Taorian’izany kosa izy dia nikomy taminy.


Feno 25 taona i Jôiakima fony tonga mpanjaka; ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO Andriamaniny izy.


Nisy hafatra azon’i Jeremià ho an’ny vahoaka rehetra ao Joda tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda, dia ny taona voalohany nanjakan’i Nebokadnetsara, mpanjakan’i Babilôna.


Vao niandoha ny fanjakan’i Jôiakima, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, dia nisy teny avy amin’ny TOMPO tonga tamin’i Jeremià nanao hoe:


ka natolotro an’i Baròka, zanakalahin’i Nerià sady zafikelin’i Mahaseià, teo imason’i Hanamèla zana-drahalahin-draiko sy teo imason’ireo vavolombelona izay niara-nanao sonia ny taratasy fivarotana ary teo imason’ireo Jiosy rehetra nipetraka teo an-kianja fiambenana.


Rehefa avy nanolotra ny taratasim-pivarotana tamin’i Baròka zanakalahin’i Nerià aho, dia nivavaka tamin’ny TOMPO ka nanao hoe:


Tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, no tonga tamin’i Jeremià izao teny avy tamin’ny TOMPO izao nanao hoe:


«Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao ny hafatra rehetra izay nampitondraiko anao ny amin’ny fanjakan’i Israely sy ny fanjakan’i Joda ary ireo firenen-kafa rehetra, hatreo amin’ny andron’i Josià fony Aho vao nanomboka niteny taminao ka mandraka androany.


fa vao mainka aza nomeny baiko i Jerahimèla, andriana zanakalahin’ny mpanjaka, sy i Seraià zanakalahin’i Hazriela sy i Selemià zanakalahin’i Habdèla mba hisambotra an’i Baròka mpanoratra sy i Jeremià mpaminany; saingy ny TOMPO efa nanafina azy roa lahy.


Dia naka horonan-taratasy iray hafa i Jeremià ka nomeny an’i Baròka, zanakalahin’i Nera sady mpanoratra. Ary nosoratany tao izay notononin’i Jeremià, dia ireo hafatra rehetra izay efa tao amin’ilay boky nodoran’i Jôiakima mpanjakan’i Joda; sady mbola niampy hafatra maro tahaka ireny koa.


Dia niantso an’i Baròka zanakalahin’i Nerià i Jeremià, ka nanonona taminy ny hafatra rehetra izay nampitondrain’ny TOMPO azy; ary nosoratan’i Baròka tamin’ny horonan-taratasy ireny.


–Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely momba anao, ry Baròka.


Fanambaràna momba an’i Ejipta sy ny tafiky ny Farao Nekao, mpanjakan’i Ejipta. Tao Karkemisy teo amoron’ny ony Eofrata i Nekao no resin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Josià mpanjakan’i Joda.


I Seraià, zanakalahin’i Nerià sady zafikelin’i Mahaseià, no lehiben’ny tobin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda. Koa ny taona fahefatra nanjakan’i Tsedekià dia nanaraka ny mpanjaka tany Babilôna izy. Nosoratan’i Jeremià tamin’ny horonan-taratasy ny loza rehetra izay hamely an’i Babilôna, dia ireo fanambarana rehetra momba izany! Dia nanome baiko an’i Seraià i Jeremià hoe:


Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Jôiakima mpanjakan’i Joda dia tonga tany Jerosalema i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ka nanao fahirano azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra