maro ny fikasana mihetsiketsika ao am-pon’ny olona, fa ny hevitr’i Iaveh ihany no tanteraka.
Jeremia 44:29 - Baiboly Katolika Ary izao no famantarana ho anareo - teny marin’i Iaveh, - fa hovangiako eto amin’ity fitoerana ity tokoa ianareo, mba hampiharihary aminareo fa tsy maintsy tò mihitsy ny teniko hahatonga loza aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary izao no famantarana ho anareo, hoy NY TOMPO, fa hovaliko eto amin’ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa to tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo: DIEM PROTESTANTA Eto amin’ity toerana ity indrindra no hirotsahako an-tsehatra, hoy ny teny hentitra ambarako, ka hanomezako famantarana ho anareo. Ho fantatrareo amin’izay fa ho tanteraka tokoa ny loza nambarako taminareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eto amin’ity toerana ity indrindra no hirotsahako an-tsehatra, hoy ny teny hentitra ambarako, ka hanomezako famantarana ho anareo. Ho fantatrareo amin’izay fa ho tanteraka tokoa ny loza nambarako taminareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izao no famantarana ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin’ity tany ity hianareo, mba hahafantaranareo fa to tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo: Malagasy Bible Ary izao no famantarana ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin'ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa tò tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo: La Bible en Malgache Ary izao no famantarana ho anareo, hoy NY TOMPO, fa hovaliko eto amin’ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa to tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo: |
maro ny fikasana mihetsiketsika ao am-pon’ny olona, fa ny hevitr’i Iaveh ihany no tanteraka.
Izy anefa dia hendry; mahatonga loza, tsy mitsoa-teny, hitsangan-kamely ny ankohonan’ny ratsy fanahy, ary handà ny fanampiana avy amin’izay manao ny tsy marina.
«Mangataha famantarana amin’i Iaveh Andriamanitrao; mangataha izany, na any amin’ny faravodin’ny seoly, na any amin’ny havoan’ny lanitra.»
Noho izany dia ny tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo: Indro nanana anaka ny Virjiny, ka miteraka zaza lahy, ary ny anarany hataony hoe Emanoela.
Inty aho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra ahy, dia famantarana sy fambara amin’i Israely izahay, avy amin’i Iavehn’ny tafika, izay monina ao an-tendrombohitra Siôna.
Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho manolotra an’i HôfràFaraôna, mpanjakan’i Ejipta, eo an-tanan’ny fahavalony, sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy; toy ny nanolorako an’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, tamin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fahavalony sy nitady ny ainy.»
Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin’ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireo ary nanao hoe: Izay efa notapahin’i Iavehn’ny tafika hatao amintsika araka ny lalantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.»
Ary ho famantaranao izany, ny hanjò ny zanakao roa lahy, dia i Ofnì sy i Finea, fa ho indray andro maty izy roa lahy.