Jeremia 42:6 - Baiboly Katolika na ho soa na ho ratsy, mba hiavian’ny soa aminay amin’ny fanekenay ny feon’i Iaveh Andriamanitray.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon’NY TOMPO Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitray izahay. DIEM PROTESTANTA Naniraka anao hanontany ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Koa hotanterahinay izay rehetra asainy hataonay, na tianay na tsy tianay; ary handeha tsara ho anay ny zavatra rehetra, satria mankatò ny feon’ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Naniraka anao hanontany ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Koa hotanterahinay izay rehetra asainy hataonay, na tianay na tsy tianay; ary handeha tsara ho anay ny zavatra rehetra, satria mankatò ny feon’ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Baiboly Protestanta Malagasy Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon’i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitray izahay. Malagasy Bible Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon'i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay. La Bible en Malgache Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon’NY TOMPO Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitray izahay. |
Izay vao nalainy ny bokin’ny fanekena ary novakiny teo anatrehan’ny vahoaka, izay namaly hoe: «Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan’i Iaveh.»
Noho ianao adalan-tsedera va no maha-mpanjaka anao? Moa tsy nisotro sy nihinana va ny rainao? Nanao ny hitsiny sy ny rariny izy, ary tamin’izany dia tsara ny zavatra rehetra taminy;
Ka dia tsy nihaino ny feon’i Iaveh nandidy azy hitoetra amin’ny tanin’i Jodà i Johanàna zanak’i Karea, sy ny mpifehy miaramila rehetra mbamin’ny vahoaka rehetra.
Fa ny amin’ny didy nomeko azy ireo, dia izao no nolazaiko taminy: Mihainoa ny feoko; ary Izaho no Andriamanitrareo, ary ianareo no vahoakako; mizora amin’ny lalana rehetra handidiako anareo, mba ho sambatra ianareo.»
Koa zavatra tsara izany nanjary fahafatesana ho ahy? Sanatria izany! fa ny fahotana no nahafaty ahy tamin’ny zavatra tsara, mba hiharihary ny faharatsiany ka ho tonga mpanota erỳ ny fahotana noho ny didy.
Inona àry no holazaintsika: ota va ny Lalàna? Sanatria izany! Fa tsy nahalala ny fahotana aho, raha tsy tamin’ny Lalàna; ohatra, tsy ho nahalala ny fanirian-dratsy aho, raha tsy ny Lalàna no nilaza hoe: Aza maniry ratsy.
Satria ny fitiavan’ny nofo dia mifandrafy amin’Andriamanitra, fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy; sady tsy hainy aza izany.
«Koa mitandrema, mba hanatanteraka izay nandidian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo; aza mivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia;
Ka hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe: «I Iaveh Andriamanitsika no hotompoinay, ary ny feony no hohenoinay.»