Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny haizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin’Andriamanitra nisonenika tambonin’ny rano.
Jeremia 4:23 - Baiboly Katolika Mijery ny tany aho, ka inty izy tsy misy endrika sady foana; nijery ny lanitra aho, ka tsy nanam-pahazavana intsony izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nojereko ny tany ka indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, indro, tsy teo intsony ny fahazavany. DIEM PROTESTANTA Nojereko ny tany, ka indro foana sady tsy nisy endrika, ary ny lanitra tsy nisy fahazavana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nojereko ny tany, ka indro foana sady tsy nisy endrika, ary ny lanitra tsy nisy fahazavana. Baiboly Protestanta Malagasy Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, Ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy; Malagasy Bible Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy; La Bible en Malgache Nojereko ny tany ka indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, indro, tsy teo intsony ny fahazavany. |
Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny haizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin’Andriamanitra nisonenika tambonin’ny rano.
Fa ny kintan’ny lanitra, sy antokon-kintany, tsy handefa ny fahazavany hamirapiratra, ny masoandro hihamaizina eo amin’ny fiposahany, ary ny volana tsy handefa ny fahazavany.
Amin’izany andro izany hisy rohondrohona hihatra amin’ny vahoaka, tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina. Hijery ny tany ny olona ka indro haizina no eo! Tebiteby mafy sy mivelatra hanarona ny lanitry ny faritany ny haizina.
Talanjòna amin’izany, ry lanitra, mangovita sy mangorohoroa mafy ianareo, - teny marin’i Iaveh. -
Ary i Jerosalema hataoko korontam-bato, sy fieren’amboadia; ny tanànan’i Jodà koa hataoko lao, tsy misy mponina.
Eo anoloan’izy io, mihorohoro ny tany, mihozongozona ny lanitra, mihamaizina ny masoandro amam-bolana, ary mihamaloka ny kintana.
Amin’izany andro izany, izao no hitranga, - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Ny masoandro halentiko mitatao vovonana; ary ny tany hosaronako haizina amin’ny andro tony tsara.
Amin’izany andro izany, dia hisy zavatra toy izao: ny mazava tsy hisy, fa ny hatsiaka sy ny ranomandry.
«Ary raha vao afaka izany andron’ny fahoriana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy hahazava ny volana, hiraraka avy eny an-danitra ny kintana, ary hihozongozona ny herin’ny lanitra.
Raha efa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy Ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony;